TAGNAMARO MATSIATRA AMBONY

TAGNAMARO MATSIATRA AMBONY

 » Apetraho ny dian-tànanao, holovain’ny taranaka « 

Io no lalan-tsaina hatrany nitondrana ny hetsika Tagnamaro – Andron’ny Olom-pirenena – volana Septambra 2022, taty amin’ny Distrika Fianarantsoa I ny andron’ny Sabotsy 17 Septambra 2022 maraina tao amin’ny toeram-panofanana teknika – LTP Beravina Fianarantsoa.
Ny fikajiana ny tontolo iainana no tanjona amin’izany ka ny fanadiovana ny ao anatin’ny efitrano fianarana sy ny toerana ivelan’ny toeram-pianarana no nanatanterahana izany hetsika Tagnamaro izany.
Tonga marobe ny olona nasaina teto izay teo ambany fiahian’ny Fitaleavam-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina Matsiatra, notronon’Andriamatoa Préfet Lefitra ny Fianarantsoa ireo Sampan-draharaham-panjakàna (Sivily sy miaramila) ary ireo Fikambanana mpilatsaka an-tsitra-po.
Nifanome tanana ihany tamin’ity hetsika Tagnamaro natao ity ihany koa ireo mponina tao amin’ny Fokontany Beravina Fianarantsoa.

Zava-dehibe ny famelo-maso hatrany ny Kolontsaina dia ny firaisankina sy fifanomezan-tànana ho fiarovana ny soa iombonana.