TAGNAMARO TSIROANOMANDIDY- BONGOLAVA

Ny ivotoerana ara-tsosialy sy ara-kolontsaina Bel Air Mangarivotra Tsiroanomandidy no nanatanterahana ny Tagnamaro andron’ny olompirenena tamin’ity volana ity.

Fikarakarana ny kianja ilalaovan’ireo ankizy sahirana beazina eo anivon’ity ivotoerana ity, narahina fikolokoloana sy fanondrahana ireo zana-kazo fihinam-boa novolen’izy ireo, niampy fanadiovana faobe.

Ireo no hetsika nanamarihana ny Tagnamaro.

Nohamafisin’ny Talem-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina Atoa Radoniaina RAZAFINDRAKOTO teto nandritra ity hetsika ity ny maha zava-dehibe ny Tagnamaro izay sehatra natao ho an’ny olompirenena ka handraisan’ny tsirairay anjara amin’ny asa iombonana mifototra amin’ny fifanohanana sy ny firaisankina ho tombotsoan’ny fiarahamonina.