TAGNAMARO MAEVATANANA

Taorian’ny fanentanana nataon’ny Fitaleavam-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina Betsiboka dia nanatanteraka fanadiovana faobe teny amin’ny toeram-piasany sy nikolokolo manodidina azy ireo sampan-draharaha sy Fitaleavam-paritra maro teto Maevatanàna.

Fanaovana hadifototra ny biraon’ny Fokontany tao Antsakoamamy CR Maevatanàna II kosa no nifarimbonan’ny mponina any an-toerana ho fandraisana anjara feno amin’ny fampandrosoana amin’ny alàlan’ny Tagnamaro, ity programam-panjakana ity izay efa tafapàka tanteraja amin’ny olom-pirenena aty an-toerana.