TAGNAMARO TAO ANALALAVA (Faritra SOFIA)
Iray amin’ny distrika miavaka raha mitaha amin’ireo distrika enina ambiny ny ao Analalava. Anisany mampiavaka azy ny fananany ny tora-pasika mitoman-dava izay azon’ny mpianakavy hialana sasatra.
Tsy hiteny afa-tsy io aloha isika eto androany. Tato ho ato anefa dia hita ny fitobian’ireo tapa-kazo sy ireo karazana fako entin’ny fitopan’ny onjan-dranonasina ho ety an-tora-pasika. Ankoatry ny fako izay voaresaka ambony ireo dia betsaka ihany koa ny fako ataon’ny olombelona, toy ny fanaovana maloto isan-karazany.
Rehefa izany dia nanao bemidina teny an-tora-pasika ny olom-pirenena androany Asabotsy 24 Septambra 2022, indray nanantanteraka ny Tagnamaro izay karakarain’ny Ministeran’ny Serasera sy Kolontsaina.
Mazava loatra fa ny fanadiovana ny tora-pasika no natao teto, mba hiverenany ho amin’ny endrika kanto, ka « hahatamagna » ny vahiny mandalo ary mahavariana ny tompon-tanàna.