FAMPIRANTIANA IREO SANGAN’ASAN’I MICHELE RAKOTOSON

Miatrika ny dingan’ny famaranana amin’ny «14ème Prix Ivoire pour la Littérature Africaine d’Expression Francophone» i Michèle RAKOTOSON, vehivavy malagasy mpanoratra tantara foronina na roman amin’ny teny frantsay.

Ny boky nosoratany farany, izay milohateny hoe : « Ambatomanga, le silence et la douleur » no nentiny miatrika izany fifaninanana izany.

Asa soratra miisa 37 avy amina firenena 12 no nandray anjara tamin’ity fifaninana ity ho an’ny taona 2022, ka ireo asa soratra 06 nisongadina indrindra, ankehitriny no mandalo farany eo anoloan’ireo mpitsara mba hisafidianana izay hibata ny « 14ème Prix Ivoire pour la Littérature Africaine d’Expression Francophone ».

Raha ny tetiandro, dia ny sabotsy 26 novambra 2022 no hanolorana izany loka izany any Abidjan, Côte d’Ivoire.

Ny taona 2017 no nisy mpanoratra Malagasy nibata io amboara io, dia i Johary Ravaloson izay nanoratra ny boky mitondra ny lohateny hoe “Vol à Vif”

Ho fanohanana an’i Michèle Rakotoson amin’izay fifaninanana iraisam-pirenena izay hitondrany avo ny voninahi-pirenena izany ary koa ho fankasitrahana ny asa ataony ho an’ny fampiroboroboana ny literatiora sy ny boky, dia hisy ny hetsika karakarain’ny Minisiteran’ny Serasera sy Kolontsaina entina hampahafantarana antsika an’i Michèle Rakotoson sy ny sangan’asany mandritry ny volana oktobra ao amin’ny efitrano Jaomanoro etsy amin’ny Tranombokim-pirenen’i Madagasikara, etsy Anosy.

#Minisiteran_ny_Serasera_sy_ny_Kolontsaina

#literatiora_malagasy