FANKAHEREZANA IREO FIANAKAVIANA TRABOINA TAO AMIN’NY FOKONTANY AMPANOBE

Trano miisa 27 tafo no ravan’ny afo tao amin’ny Fokontany Ampanobe ao amin’ny kaominina ambonivohitr’Amparafaravola ny alarobia 28 septambra 2022, ka olona an-jatony no nanjary tsy manan-kialofana.

Amin’ny maha Minisitra mpiahy ny Faritra Alaotra Mangoro azy, dia namangy ireo fianakaviana niharam-boina ireo no sady nitondra fanampiana voin-kava mahatratra ho azy ireo ny Minisitra Lalatiana RAKOTONDRAZAFY ANDRIATONGARIVO, izay iraky ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina sy ny Praiminisitra lehiben’ny Governemanta ary ny Governemanta iray manontolo.

Nandritra izany dia nanolotra entana ilaina amin’ny andavan’andro (PPN) toy ny vary, menaka, siramamy ary savony ny Minisitry ny Serasera sy Kolontsaina.