Akademiam-pirenena ANAC sy ny Orchestre nationale VOA’ART: Manao tohivakana ny fampisitrahana fampiofanana avy amin’ireo teknisianina sy mpanakanto iraisam-pirenena.

Ho tohin’ny fiaraha-miasa amin’ny Fikambanana Hetsika any Nantes dia ho avy eto Madagasikara hanome fampiofanana avo lenta ho an’ny mpitendry lokanga ao amin’ny VOA’ART, the National Orchestra of Madagascar mandritry ny tapa-bolana, Ramatoa Ghislaine ROUITS avy ao amin’ny Orchestre de l’Opéra de Massy, sy Andriamatoa Philippe CAUCHEFER avy ao amin’ny Orchestre National de Cannes samy avy ao Frantsa.

Marihina moa fa efa nanomboka tamin’ny volana Febroary 2022 no nanome fiofanana nampitain-davitra izy ireo ka nahafahan’ny Orchestre VOA’ART nanao ny fampisehoana voalohany ny 26 Mey lasa teo.

Hisitraka ny fiofanana avokoa ny mpianatra lokanga rehetra ao amin’ny Akademiam-pirenen’ny Zavakanto sy ny Kolontsaina dia ny mpitendry violons, altos ary violoncelles izany.

Amin’ny faran’ny volana Oktobra ho avy izao no hanao ny fampisehoana ho famaranana ity fiofanana iraisam-pirenena ity ireo mpandray anjara rehetra.

Tombony lehibe ho an’izy ireo izany satria sady hahazo fahalalana no hotolorana mari-pankasitrahana.