Taorian’ny fandraisan’Andriamatoa Praiminisitra lehiben’ny Governemanta azy, dia noraisin-dRamatoa Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Lalatiana Rakotondrazafy ANDRIATONGARIVO, ny masoivohon’i Frantsa vaovao miasa sy monina eto Madagasikara, Andriamatoa Arnaud GUILLOIS

Taorian’ny fandraisan’Andriamatoa Praiminisitra lehiben’ny Governemanta azy, dia noraisin-dRamatoa Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Lalatiana Rakotondrazafy ANDRIATONGARIVO, ny masoivohon’i Frantsa vaovao miasa sy monina eto Madagasikara, Andriamatoa Arnaud GUILLOIS.

Tetsy amin’ny birao fiasany tetsy Anosy no natao ny fihaonana, niresahan’ny roa tonta ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena malagasy sy frantsay.

Voaresaka tao anatin’izany ny dingana fampodiana ny Kabeson’ny Mpanjaka Sakalava Toera izay mbola iadian’ny Fanjakana malagasy mafy ankehitriny; amin’ny alalan’ny Minisitera misahana ny Kolontsaina araka ny toromarika nomen’ny Filohan’ny Repoblika Andriamatoa Andry RAJOELINA; voaresaka koa ny fanamafisana ny fiarahamiasa eo amin’ny fampiroboroboana ny vaky boky sy ny Mozea eto Madagasikara.

Amin’ny maha mpitondra tenin’ny Governemanta an-dRamatoa Minisitra ihany koa anefa dia niresaka ny toe-draharaha politika misy eto amintsika ny roa tonta.