𝕋𝔸𝔾ℕ𝔸𝕄𝔸ℝ𝕆 FAMONOANA AFO AMBOHITANTELY ANKAZOBE

𝕋𝔸𝔾ℕ𝔸𝕄𝔸ℝ𝕆 FAMONOANA AFO AMBOHITANTELY ANKAZOBE

NISAVA NY TANY ANATY ALA NIKITROKA NAMONO NY AFO MBOLA TSY MATY NY EKIPAN’NY MSK

𝕋𝔸𝔾ℕ𝔸𝕄𝔸ℝ𝕆 niavaka no notanterahina omaly zoma 14 Oktobra izay daty manan-tantara, nahaterahan’ny Repoblika Malagasy.

Ady famonoana afo izay mamotika ny valan-javaboary AMBOHITANTELY no notanterahina teo ambany fitarihan’ny Minisitra mirahavavy Ramatoa Lalatiana Rakotondrazafy ANDRIATONGARIVO sy Ramatoa VINA marie-Orléa Minisitry ny Tontolo Iainana sy Fampandrosoana Lovain-jafy.

Efa andro maromaro no nanomboka nirehitra ny tato anatin’ity valan-javaboary voasokajy ho « Réserve spéciale » ka atahorana hanenika ny ala mirefy 1600Ha ny afo.

Ny Minisiteran’ny Serasera sy Kolontsaina dia nisafidy an’ity ady masina fiarovana ny ala izay ho lovan’ny taranaka ity, ho kaontin’ny TAGNAMARO amin’ity volana Oktobra izay tanterahina anio Sabotsy fahatelon’ny volana.