TAGNAMARO MATSIATRA AMBONY
Apetraho ny dian-tànanao ho lova ho an’ny taranaka « .
Nifototra tamin’ny fikajiana ny tontolo iainana ny fomba nanatanterahana ny hetsika ara-kolontsaina Tagnamaro – Andron’ny Olom-pirenena – Volana 2022 tamin’ity andron’ny Sabotsy 15 Oktobra 2022 maraina ity.
Teny amin’ny toeram-pam-pianarana ambony, Oniversiten’ Andrainjato Fianarantsoa no niantefan’ny safidy nanatanterahana izany hetsika tagnamaro izany, ka ny Fitaleavam-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina Matsiatra Ambony no nitarika izany hetsika ara-kolontsaina natao izany.
Tonga maro be ny olona nasaina sy ireo solontenam-panjakana misy ao an-toerana notronon’ireo mpampianatra mpikaroka sy ny mpiara-miasa eo anivon’ny Oniversité àry ireo mpianatra manovo fianarana.
Isaorana ihany koa eto ireo Fikambanana mpilatsaka an-tsitra-po misy ao an-toerana.