TAGNAMARO TETO ANTANANARIVO RENIVOHITRA
Ankoatra ny 𝕋𝔸𝔾ℕ𝔸𝕄𝔸ℝ𝕆 famonoana afo natao tany Ambohitantely-Ankazobe izay notarihin-dRamatoa Minisitry ny Serasera sy Kolontsaina, dia nisy ekipan’ny MSK koa nandray anjara tamin’ny fanadiovana tetsy amin’ny Fokontany Ampefiloha.
Nandray anjara tamin’izany ireo mponina mipetraka manodidina eny, ary koa ny fikambanan’ny mpanasa fiara manodidina ny tranombokim-pirenena.