TAGNAMARO TSIROANOMANDIDY BONGOLAVA

Tafapaka amin’ny vahoaka ifotony ny lalantsain’ny Tagnamaro andron’ny olompirenana.
Porofon’izany, manomboka amin’ny zazakely hatramin’ireo raiamandreny be dia tonga nifanome tanana nanatanteraka ny asa tao amin’ny fokontany Amparihibe kaominina ambonivohitry Tsiroanomandidy.

Nanamarihana izany ny fikarakarana ny lalana mihazo ny tanana mialohan’ny firotsahan’ny orana.

Lalana izay hitanteran’ireo tantsaha monina eo anivon’ity fokontany ity ny vokatra anana izay mampalaza azy satria isan’ny fokontany mamokatra anana ary mamatsy izany an’ny Tsiroanomandidy raha ny fokontany Ampaharihibe.

Ankoatr’izay, teo ihany koa ny fanadiovana faobe ny tanana mba hiarovana ny valan’aretina samihafa.

Tsy adinon’ny Talem-pairitry ny Serasera sy ny Kolontsaina teto ny nanentana ny rehetra mahakasika ny ady atao amin’ny dorotanety.