๐๐๐ซ๐ข๐ง๐๐ง๐๐ซ๐จ ๐ข๐ซ๐๐ข๐ฌ๐๐ฆ-๐ฉ๐ข๐ซ๐๐ง๐๐ง๐ ๐ก๐จ ๐๐งโ๐ง๐ฒ ๐ญ๐๐ง๐ญ๐๐ซ๐ ๐๐จ๐ซ๐จ๐ง๐ข๐ง๐ (๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐ ๐๐๐๐๐๐ ๐๐ฆ โ๐ ๐๐๐)
Ny taona 2021 dia ny 13 Oktobra no manomboka marihina ny herinandro iraisam-pirenena ho anโny tantara foronina na ny ๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐ ๐๐๐๐๐๐ ๐๐ฆ โ๐ ๐๐๐ araky ny tapaka taminโny fivoriana faha 41 anโireo firenena mpikambana ao aminโny แUแNแEแSแCแO.
Taminโity taona 2022 ity noho izany no nankalazana voalohany izany herinandro iraisam-pirenena ho anโny tantara foronina izany.
Ho antsika eto Madagasikara dia nifanandrify indrindra taminโizany fankalazana izany ny hetsika natokanโny Minisiteranโny Serasera sy Kolontsaina hanomezam-boninahitra anโi ๐๐ข๐๐กรจ๐ฅ๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐๐, izay mpanoratra boky mirakitra tantara foronina aminโny teny frantsay.
Ny Zoma 14 Oktobra 2022 lasa teo, araky ny fandaharam-potoana, dia nampahafantatra ny boky ยซย ๐๐ฆ๐๐๐ญ๐จ๐ฆ๐๐ง๐ ๐, ๐ฅ๐ ๐ฌ๐ข๐ฅ๐๐ง๐๐ ๐๐ญ ๐ฅ๐ ๐๐จ๐ฎ๐ฅ๐๐ฎ๐ซย ยป izay nosoratany ary mandray anjara aminโny ยซ 14รจme Prix Ivoire pour la Littรฉrature Africaine d’Expression Francophone ยป i ๐๐ข๐๐กรจ๐ฅ๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐๐.
Io hetsika io koa no fankalazana voalohany ny ยซ๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐ ๐๐๐๐๐๐ ๐๐ฆ โ๐ ๐๐๐ยป teto Madagasikara.
Tsiahivina fa isanโireo nataonโny ekipa mpitantana ny minisiteranโny serasera sy ny kolontsaina ankehitriny ho vaindohan-draharaha ny fampitiavana ny แแฏแฆแฝ โฌแพแฆแฝ indray sy ny fanomezana sehatra ny mpanoratra mba ho fanohanana ny rohinโny boky.