TAGNAMARO VATOMANDRY FARITRA ATSINANANA

TAGNAMARO VATOMANDRY FARITRA ATSINANANA

AKON’NY TAGNAMARO ANDROANY 15 OKTOBRA 2022 DISTRIKA VATOMANDRY:

Fanamboarana ny fefin’ny EPP sy CEG Ambilakely no niarahan’ny fokonolona nientana androany tamin’ny alalan’ny tagnamaro .

Toy ny mahazatra dia vory maro ireo olom-pirenena avy amin’ny sampandraharaha maro samihafa sivily sy miaramila miampy sefo fokontany ,fikambanana ,ny avy ao amin’ny Distrika nifanome tanana nanamboatra ny fefin’io EPP sy CEG Ambilakely.

Naharitra adiny roa ny hetsika.

Na dia andro fialan-tsasatra aza ny andro sabotsy dia tsy nisy niala ireo fokonolona fa nanolo-tena hanasoa ny hanatsara ny fananana iombonana izay.