TAGNAMARO VOHIPENO FARITRA FITOVINAGNY
Fanentsemana tany sy zezika anaty « pot »na tanin-janakazo no natao TAGNAMARO tao VOHIPENO, ka fonosana miisa 1500 no vita nandritra izany.
Izany dia ho fiaraha-mientana amin’ny Fitondram-panjakana amin’ny fanatanterahana ny vina fandrakofana ala an’i Madagasikara.
Nitarika izany ny Delegasionin’ny Serasera sy ny Kolontsaina ao Vohipeno sy ny Lehiben’ny Distrika ary nandray anjara navitrika ireo Sampandraharaha miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana.