AKADEMIAM-PIRENENA

AKADEMIAM-PIRENENA

Hisitraka fiofanana avy amina manampahaizana iraisam-pirenena indray ireo mpikambana ao amin’ny Orkesitra Voa’Art.

Araky ny efa nampilazaina teto andro vitsivitsy lasa izay, dia tonga eto Madagasikara Ramatoa Ghislaine ROUITS mpampianatra VIOLON ALTO avy amin’ny Orchestre de l’Opéra de Massy-Paris, sy Andriamatoa Philippe CAUCHEFER izay mpampianatra VIOLONCELLE avy amin’ny Orchestre National de Cannes.

Tonga izy ireo hampianatra an’ireo karazan-javamaneno ireo, ka efa nanomboka omaly Talata 18 Oktobra ka haharitra tapa-bolana ny fampiofanana avo lenta omena ny mpikambana ao amin’ny Voa’Art The National Orchestra of Madagascarn.

Mpiara-miombon’antoka amin’ny fahatongavan’izy ireo moa ny Fikambanana Hetsika any Nantes, ny Faritra Pays de la Loire ary ny fiadidiana ny tananan’i Nantes.

Marihina fa anisan’ireo mpampiofana nampitain-davitra nanomboka tamin’ny volana Febroary 2022 izy ireo, ka nampandroso haingana dia haingana ny fari-pahaizan’ny mpianatry ny Akademia ANAC, ka nahafahana nanangana ny Orkesitra Voa’Art.

Ankoatra ny fampiofanana, dia nitondra fitaovana fanamboarana zava-maneno violons, sy alto ary violoncelles sy contrebasse milanja 20 kilao koa izy ireo (toy ny Jeux de Cordes, Cordiers, Colophanes, Archets, Chevalets, Chevilles, Epauliers, Sourdines, Tendeurs, Boutons). Izany dia ahafahana nanao ny fanatsarana ny fitaovan’ny mpianatra, ary nitrondra boky fianarana mitendry sy partitions ihany koa izy ireo hanatevenana ny tranombokin’ny ANAC.