ANDROM-PIRENENA MOMBA NY FILATSAHANA AN-TSITRAPO: TAGNAMARO FANAMBOARANA LALANA RARIVATO TAO ๐˜ผ๐™ข๐™—๐™ค๐™–๐™ง๐™–-๐™„๐™ข๐™š๐™ง๐™ž๐™ฃ๐™ฉ๐™จ๐™ž๐™–๐™ฉ๐™ค๐™จ๐™ž๐™ ๐™– no nanamarihana azy.

Fanamboarana lalana rarivato mirefy 2,5 Km no fanamby napetraka, ka niarahanโ€™ny rehetra nientana.

Ity lalana rarivato ity dia miditra any antampon-tanร na, izay manampy betsaka ny mponina ao an-toerana ny fanamboarana azy satria manahirana tokoa rehefa vanim-potoananโ€™ny fahavaratra.

Nanampy ara-pitaovana ny Minisitera, ankoatra ny tsipaipaika izay nataonโ€™ny fokonolona.

Tsy mbola vita tanteraka ny asa fa nifanome toky ny mbola hanohy ny ezaka kosa ny rehetra androany.

Ny TAGNAMARO dia endrika filatsahana an-tsitrapo voarakitra ao anaty Politikam-pirenena momba ny Kolontsaina. ยซย ๐‘€๐‘๐‘–๐‘™๐‘Ž๐‘ก๐‘ ๐‘Ž๐‘˜๐‘Ž ๐‘Ž๐‘›-๐‘ก๐‘ ๐‘–๐‘ก๐‘Ÿ๐‘Ž๐‘๐‘œ ๐‘š๐‘–๐‘Ž๐‘ ๐‘Ž ๐‘ ๐‘ฆ ๐‘š๐‘–๐‘’๐‘ง๐‘Ž๐‘˜๐‘Ž ๐‘Ž๐‘›๐‘Ž๐‘ก๐‘ฆ ๐‘“๐‘–๐‘Ÿ๐‘Ž๐‘–๐‘ ๐‘Ž๐‘›๐‘˜๐‘–๐‘›๐‘Ž, ๐’‰๐‘Ž๐‘›๐‘œ๐‘ฃ๐‘Ž ๐‘“๐‘–๐‘Ÿ๐‘’๐‘›๐‘’๐‘›๐‘Žย ยป, io no lohahevitry ny ๐‰๐จ๐ฎ๐ซ๐งรฉ๐ž ๐๐š๐ญ๐ข๐จ๐ง๐š๐ฅ๐ž ๐๐ฎ ๐•๐จ๐ฅ๐จ๐ง๐ญ๐š๐ซ๐ข๐š๐ญ na ยซย Androm-pirenena momba ny filatsahana an-tsitrapoย ยป ankalazaina androany.

โžฃโžคFokontany misongadina amin’ny firaisankina sy

fanaovana TAGNAMARO ny Fokontany ๐˜ผ๐™ข๐™—๐™ค๐™–๐™ง๐™–-๐™„๐™ข๐™š๐™ง๐™ž๐™ฃ๐™ฉ๐™จ๐™ž๐™–๐™ฉ๐™ค๐™จ๐™ž๐™ ๐™–. Ary efa nahavita fametrahana andrin-jiro ary koa fitaomana vato sy fasika, izay nataon’ny mponina tamin’ny heriny manokana.

Ka rehefa nangataka tolo-tร nana tamin-dRamatoa Minisitra ๐‹๐š๐ฅ๐š๐ญ๐ข๐š๐ง๐š ๐‘๐š๐ค๐จ๐ญ๐จ๐ง๐๐ซ๐š๐ณ๐š๐Ÿ๐ฒ ๐€๐๐ƒ๐‘๐ˆ๐€๐“๐Ž๐๐†๐€๐‘๐ˆ๐•๐Ž ny mponina, dia namaly izany ny Minisiteran’ny Serasera sy Kolontsaina sy ireo MPILATSAKA AN-TSITRAPO maro.
Fikambanana maro no namaly ny antso, ny avy amin’ny Firenena Mikambana, avy amin’ny Minisiteran’ny Paositra (MNDPT), ny Zandarimariam-pirenena, ireo SKOTO, TILY, ANTILY SY KIADIN’I MADAGASIKARA, ary ireo mpiasa marobe avy amin’ny Minisiteran’ny Serasera sy Kolontsaina.

โ‡›Lehibe ny ezaka vita androany, ka nankasitraka ny แŽฏะ…แŽฏ ะ…แŽฝ โ„ฐโ„คแŽฏแฆแŽฏ vitan’ny olom-pirenena tonga androany Ramatoa Minisitra, ary nilaza fa azo atao modely halain-tahaka ho anโ€™ny fokontany hafa rehetra ny ao Amboara Imerintsiatosika aminโ€™ny fiaraha-mientanโ€™ny fokonolona hikarakara ny soa iombonana aminโ€™ny alalanโ€™ny TAGNAMARO.

โ‡›Marihina fa saika nisy fankalazana ny androm-pirenena ho anโ€™ny mpilatsaka an-tsitrapo daholo ny faritra rehetra manerana ny Nosy taminโ€™ity androany ity.

Tsara ho fantatra ihany koa fa manana lalร na mifehy sy Didim-panjakana fampiharana azy ny filatsahana an-tsitrapo eto Madagasikara, dia ny Lalร na laharana 2015-015 tamin’ny 10 Aogositra 2015 momba ny filatsahana an-tsitrapo eto Madagasikara; ary ny Didim-panjakana 2022-418 tamin’ny 23 May 2022, izay fampiharana an’io Lalร na 2015-015 io.