TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA Alarobia 26 oktobra 2022 – Lapam-panjakana Iavoloha

TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA Alarobia 26 oktobra 2022 – Lapam-panjakana Iavoloha

TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA

Alarobia 26 Oktobra 2022 – Lapam-panjakana Iavoloha

Notanterahina androany ny Filankevitry ny Minisitra izay notarihin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ary nahitana ny Praiminisitra sy ireo Minisitra isan-tokony.

I- FAMPITANA AM-BAVA

MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny volavolan-dalàna mifehy ny teti-bola taona 2023. Araka ny lalàna manan-kery moa dia atolotra ny parlementa izany volavolan-dalàna izany alohan’ny 30 oktobra 2022 mba hodinihana sy holaniana mandritra izao fivoriana ara-potoana izao.

Manaraka ny lasitra ao anatin’ny Planina Entina Mampandroso an’I Madagasikara (Plan Emergence Madagascar) na PEM ny namolavolana ity teti-bola ity, nomena vahana manokana ny politika fampiroboroboana ny indostria, ny fizahan-tany, ny angovo azo havaozina ary ny fambolena sy ny fiompiana. Anisan’ny lafiny lehibe hisongadina ho voafaritra ao anatin’ny teti-bola 2023 ny fepetra ara-ketra sy haban-tseranana ho famporisihana ny mpandraharaha sy mpampiasa vola eo amin’ireo sehatra ireo, toy ny fanafoana na fanalefahana haba sy hetra amin’ny fananganana orinasa ao anatin’ny fandaharanasa « ODOF », ny fananganana trano fandraisam-bahiny lehibe manerana an’i Madagasikara sy ny fampidirana ireo fitaovana ilaina hisarihana mpizahan-tany any andranomasina (bateau de croisière, catamaran, montgolfière, parc d’attraction…), ny fanodinana ny « éthanol » hahazoana angovo sy ny fampidirana fitaovana mitondra herinaratra azo avy amin’ny masoandro, ny fitrandrahana ara-pambolena tahaka ny fividianana tany hanaovana fambolena.

Torak’izany koa ny lafiny sosialy tahaka ny fanabeazana sy ny fahasalamana, mba hanatsarana ny fahazoan’ny olom-pirenena misitraka izany filàna fototra izany. Ohatra amin’ny fanabeazana dia hotsinjovina manokana ny sekoly tsy miankina amin’ny resaka fanalefahan-ketra. Ny fahasalamana izay hametrahana tsy fandoavan-ketra amin’ny fanafarana sy fivarotana fanafody, na koa ny fampidirana akora hanamboarana fanafody eto an-toerana.

Marihana fa ny fepetra famporisihana efa noraisina tamin’ny lalàna mifehy ny teti-bola tany aloha dia mbola tazomin’ny fitondram-panjakana.

Tsindriana ihany koa fa ny Antenimiera roa tonta no tompon’ny teny farany mandany ny lalàna mifehy ny teti-bola, fa tolo-kevitra moa no entin’ny fahefana mpanatanteraka mifanaraka ny vinan’ny Filohan’ny Repoblika ho fanatanterahan ny Velirano nataony tamin’ny vahoaka malagasy.

MINISITERAN’NY ATI-TANY SY NY FITSINJARAM-PAHEFANA

Efa ao anatiny tanteraka ankehitriny ny hetsika lehibe momba ny didim-pitsarana solo-kopiam-pahaterahana (jugement supplétif d’acte de naissance) sy ny karampanondrom-pirenena. Tsapa tokoa ny faharisihan’ny olom-pirenena feno 18 taona na mihoatra izay tsy mbola nanana kopiam-pahaterahana sy karampanondrom-pirenena hatramin’izay, misoratra anarana amin’ity hetsika ity. Noho izany indrindra dia hita fa mihoatra lavitra ny tombana napetraka hatrany am-piandohana ny isan’ireo mandray anjara amin’ny fitsarana mitety vohitra hanomezana solo-kopiam-pahaterahana.

Manoloana izany indrindra dia tsy maintsy hanampy ireo taratasim-panjakana (imprimés) ilaina amin’ny hetsika ny Minisiteran’ny Ati-tany. Noho ny hamehana anefa ary koa noho ny fahitana fa tsy maharaka ny filàna misy ny trano printy nasionaly (Imprimerie Nationale) dia nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fahafahana manetsika ireo trano printy tsy miankina manampy ny trano printy nasionaly. Hisy araka izany ny fepetra manokana horaisina (procédure dérogatoire) manaja ny voalazan’ny fehezan-dalàna lf: 2016-055 tamin’ny 25 janoary 2017 mikasika ny tsenan’asam-panjakana, mba ahafahana mandeha haingana kokoa.

MINISITERAN’NY RANO, NY FANADIOVANA ARY NY FIDIOVANA

Manoloana ny olan’ny rano any amin’ny faritra atsimon’ny Nosy ankehitriny, dia naniraka ny minisitry ny rano, ny fanadiovana sy ny fidiovana ny fitondram-panjakana nidina maika tany Amboasary, Nikoly Tsihombe, Sampeza, Marovato, Ambalanosy, Beloha, Ampotaka any amin’ny faritra Androy sy Atsimo Andrefana tamin’ny herinandro lasa. Izany dia mba ahafahana mitondra vahaolana maika hitsinjovana ireo mponina mijaly rano any an-toerana :

– Vahaolana voalohany entina amin’izany dia ny fampitomboana ny isan’ny fiara lehibe mpitatitra rano (camion-citerne) mivezivezy mitsinjara rano na avy amin’ny Fanjakana Malagasy na avy amin’ireo mpiara-miombon’antoka hafa ihany koa.

– Mikasika ny fantsona lehibe fitateran-drano (pipeline) Ampotaka-Tsihombe : tsy miasa tanteraka ny fantsona ka tafakatra 6.000 Ariary ny vidin-drano anatine fitoerana 20 litatra. Mbola ny orinasa tsy miankina “Ny Ravo” no mitantana ny fantsona fitateran-drano, izay tsy mazava ny bokin’andraikitra mikasika ny fifanaraham-piaramiasa aminy sady tsapa fa tsy ampy rahateo ny fahaiza-manao teknika eo amin’ity orinasa tsy miankina ity. Manoloana izany dia hamolavola maika bokin’andraikitra vaovao ny Minisitera tompon’andraikitra mikasika ny fitantanana ny fantsona lehibe fitateran-drano, ka hanao tolo-bidy vaovao koa hitadiavana orinasa tena matihanina ho afaka hiantoka izany fitantanana izany amin’ny fomba mahomby.

– Misy olana ihany koa ny JIRAMA ao amin’ny faritra Anosy sy Androy, vokatry ny fahateran’ny fotodrafitrasan’ny rano amin’ny ankapobeny. Havaozina maika aloha ny fitaovana “drain de captage” ao Mandrare sy ny toby fanangonan-drano (station de captage). Ho an’ny JIRAMA ao Tsihombe manokana dia misy fahasimbana ny milina fanadiovana ny rano tsy hasira (unité de désalinisation) ka tsy mahampy ny famokarana rano. Nomena toromarika ny orinasa JIRAMA foibe mba hanolo faran’izay maika ny kojakoja simba ahafahana manohy ny famokarana ka hamenoana indray ny toby fananongan-drano ao Tsihombe.

– Homena alalana hiditra an-tsehatra koa ny AES (Alimentation en Eau dans le Sud) hanampy amin’ny fanangonan-drano hatrany amin’ny 40m3 isan’andro ao Mandrare ihany.

– Ankoatra izay dia hohajariana ny lavadrano ao anatin’ny tetikasa Mionjo ao amin’ny toby fanangonan-drano ao Amboasary, izay afaka manome hatramin’ny 50m3 isan’ora.

– Nandritra ny fidinan’ny Minisitra tompon’andraikitra tany an-toerana ihany koa ny nahitana fa azo atao ny asa maika hitrandrahana rano avy any ambanin’ny tany (travaux d’urgence de forage) ka hirosoana izany ankoatra ny fampitomboana ny famokaran-drano avy amin’ny fantsona lehibe fitateran-drano.

– Farany, mikasika ny tetikasa goavana dia hirosoana afaka andro vitsy ny fanomezana ny tsenan’asam-panjakana ho fanamboarana ny fantsona lehibe « Efaho-Ambovombe », taorian’ny fahavitan’ny dingana ara-panjakana samihafa takian’ny lalàna. Ary ho an’ny tohadrano lehibe ao Tsivory, Mandrare ambony dia efa miroso isika amin’ny fanomanana izany miaraka amin’ny Banky Iraisam-pirenena.

MINISITERAN’NY TONTOLO IAINANA SY NY FAMPANDROSOANA LOVAIN-JAFY

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’i Madagasikara anjara amin’ny fivoriana an-tampony andiany faha-27 amin’ny fifanarahana lasitry ny Firenena Mikambana mikasika ny ady amin’ny fiovaovan’ny toetrandro na « COP 27 », ny 31 oktobra ka hatramin’ny 18 novambra 2022 any Sharm El Sheick, Egypte.

Hanamafy ny fitakiana efa nentina tamin’ny COP 26 tamin’ny taon-dasa ny firenena Malagasy, araka ny efa nampahatsiavin’ny Filohan’ny Repoblika Atoa Andry RAJOELINA tany amin’ny Fivoriamben’ny Firenena Mikambana farany teo tany New York Etazonia, dia ny mikasika indrindra ny famatsiam-bola tokony ho azon’ireo firenena madinika ao anatin’ny « Fonds Vert Climat ». Raha tsiahivina, nandritra ny COP 26 tamin’ny taon-dasa dia nankasitrahan’ny firenena mpandray anjara rehetra ny haitarika nananan’i Madagasikara tamin’ny ady sisika (plaidoyer) nataon’ny Filohan’ny Repoblika. Hentitra araka izany ny Filoha ny tokony hisian’ny fanarahana matotra kokoa izay fiarahamiasa efa azon’ny firenena Malagasy nandritra izany, mba hampitomboana kokoa ny hafainganam-pandehantsika amin’ny fanatanterahana ireny fiarahamiasa efa azon’i Madagasikara ireny.

II- FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY

MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2019- 1745 tamin’ny 11 septambra 2019, ary manendry an-dRamatoa RATSIAVAHANA Mbinison Dorette ho Talen’ny Tranom-piritim-pirenena mpisolo toerana eo anivon’ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola.
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry ireo mpisolo toerana an’ireo Lehiben’ny Vaomiera miandraikitra ny Tsenam-barotra eo anivon’ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola.

MINISITERAN’NY ASA VAVENTY

  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2019- 1033 tamin’ny 22 may 2019 sy manendry an-dRamatoa RANDIMBINDRAIBE Misa Hery Zo ho « Directeur des Etudes » eo anivon’ny « Institut National de l’Infrastructure » (ININFRA).

MINISITERAN’NY MPONINA, NY FIAHIANA ARA-TSOSIALY SY NY FAMPIVOARANA NY VEHIVAVY

  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2019-178 tamin’ny 20 febroary 2019 ary manendry an’Andriamatoa RAKOTOHARINIVO Rémi ho Talem-paritry ny Minisiteran’ny Mponina, ny Fiahiana ara-tsosialy sy ny Fampivoarana ny vehivavy any amin’ny Faritra Vakinankaratra.

ETARIAM-PANJAKANA MISAHANA NY TANANA VAOVAO SY NY TOERAM-PONENANA EO ANIVON’NY FIADIDIANA NY REPOBLIKA

  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAMBELOARIMANGA Falisoa Viviane ho « Directeur de l’Architecture, des Etudes prospectives et Conception » eo anivon’ny Sekretariam-panjakana misahana ny Tanàna vaovao sy ny Toeram-ponenana.

    III- FANAFOANANA

    MINISITERAN’NY ASA VAVENTY

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2022-787 tamin’ny 25 mai 2022 nanendry ny Talem-paritry ny Ministeran’ny Asa Vaventy any amin’ny Faritra Itasy.

    MINISITERAN’NY FITATERANA SY NY FAMANTARANA NY TOETR’ANDRO

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2022-642 tamin’ny 04 may 2022 nanendry ny « Directeur des Affaires Juridiques » eo anivon’ny Minisiteran’ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetr’andro

      Natao ny 26 Oktobra 2022

      Ny Mpitondra Tenin’ny Governemanta

      Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina

      Lalatiana Rakotondrazafy ANDRIATONGARIVO

      Ny Mpitondra Tenin’ny Filoham-pirenena,

      Talen’ny Serasera sy ny Fifandraisana amin’ny Daholobe

      Ny Fiadidiana ny Repoblika

      Lova Hasinirina RANOROMARO