Fandaharan’asa 𝐓𝐀𝐒𝐊
Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy androany zoma 04 Novambra.
Notanterahina tetsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina mandritra ny SEMI, ny fampahafantarana ny vovonana 𝐓𝐀𝐒𝐊 na ny 𝘛𝘰𝘳𝘰𝘈𝘴𝘢 𝘚𝘦𝘳𝘢𝘴𝘦𝘳𝘢 𝘴𝘺 𝘒𝘰𝘭𝘰𝘯𝘵𝘴𝘢𝘪𝘯𝘢. Ity vovonana ity izay noforonin’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina mba hampifanantonana sy hampifandraisana ireo mpitady asa sy mpanolotra asa. Izany hoe mahakasika ireo asan-tserasera sy kolontsaina rehetra tsy misy anavahana.
𝙬𝙬𝙬.𝙩𝙖𝙨𝙠.𝙢𝙜 no tranokala tsidihana sy hidirana ahitana ireo tolotr’asa tsy ankanavaka mifandraika amin’ny Serasera sy ny kolontsaina. Manaraka hatramin’ny farany ny fangatahana nataon’ireo mpitady asa ny 𝐓𝐀𝐒𝐊 mandrapisian’ny valiny avy amin’ireo orinasa raha toa ka mifanaraka amin’ny filàn’ny mpampiasa ny mombamomba ilay mpitady asa iray. Hipetraka tsy ho ela eny amin’ny biraon’ny Minisitera eny Nanisana ny birao handray sy hanaraka ny tan-tsoroka atao amin’ny mpanjifa.
Nambaran-dRamatoa Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy ANDRIATONGARIVO fa tanjona kendrena amin’ny fananganana ity vovonana ity ny hanampiana ireo tanora malagasy mitady asa kanefa misedra fahasahiranana amin’ny fitadiavana ny tolotr’asa momba ny serasera sy ny kolontsaina. Ka apetraka ny fanamby mba hahenika an’i Madagasikara ny 𝐓𝐀𝐒𝐊.