MADAGASIKARA-CHINE

 

Hifanome tanana hatrany hampandroso ny fifankalozana ara-kolontsaina.

Natao tetsy Anosy omaly ny lanonana ara-kolontsaina nentina nanamarihana ny faha-50 taonan’ny fifandraisana ara-diplomatika eo amin’i Chine sy Madagasikara, fifandraisana izay misandrahaka tamina sehatra maro tsy hanavahana.

Tsiahivina fa ny 6 Novambra 1972 no nisy ny fifandraisana ara-diplaomatika voalohany teo amin’ny Repoblika Malagasy sy ny Repoblika entim-bahoakan’i Chine.

Nambaran-dRamatoa Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy ANDRIATONGARIVO tao anatin’ny lahateniny fa sehatra iray nataon’ny fitondram-panjakana laharam-pahamehana ny kolontsaina ho isan’ireo antoky ny fampandrosoana ny firenena ary efa hita taratra izany ankehitriny.

Raha ho an’ny lafin’ny kolontsaina manokana, betsaka ireo fiaraha-miasa nifanomezan’ny firenena roa tonta tanana, hampiroboroboana ity sehatra ity. Tafiditra tao anatin’izany avokoa ireo singa samihafa maneho sy mampisongadina ny kolontsaina Malagasy.

Isany nanampy an’i Madagasikara i Chine tamin’ny fanavaozana ireo harem-bakoka nasionaly malagasy tahaka ny rovan’Ilafy, Ambohidratrimo, Antongona, Tsinjoarivo ny taona 2017, ny Rovan’Ambohidrabiby ny taona 2018 ary indrindra ny fanampian’i Chine tamin’ny fanavaozana ny Rovan’Ambohimanga nandritra ny faha-20 taona naha-vakoka maneran-tanin’ny zanakolombelona azy tamin’ny taona lasa 2021 teo. Ankoatra ireo ny fanatevenana ireo boky ho an’ny Tranombokim-pirenen’i Madagasikara izay nisy in-telo miantaona niampy fanolorana « chevalet » ahafahan’ny mpanatalenta malagasy mampiranty ny sary hosodokony.

Nisy koa ny fandefasana mpanakanto malagasy nankany Chine sy ny fandraisana mpanakanto sinoa nankaty Madagasikara ao anatin’ny fandaharanasa fifanakalozana ara-kolontsaina eo amin’ny firenena roa tonta.