SEMAINE DE L’ÉDUCATION AUX MEDIAS ET À L’INFORMATION : ADY IOMBONAN’NY REHETRA HIAROVANA NY DEMOKRASIA SY NY FAHALALAHANA MANEHO HEVITRA NY ADY ATAO AMIN’NY FANELEZANA VAOVAO DISO SY NINIANA DISOINA

Nifarana androany 05 novambra 2022 ny telo andro nentina nanamarihana ny “Semaine de l’Education aux Médias et à l’Information” izay nokarakarain’ny Minisiteran’ny Serasera sy Kolontsaina tetsy amin’ny kianja Barea Mahamasina.

Nandritry ny lanonam-pamaranana izany no nanolorana ny tsoa-kevitry ny fikaonan-doham-pirenena momba ny ady atao amin’ny fanelezana vaovao diso na niniana nodisoina (Colloque national sur la désinformation).

Ireto ireo teboka lehibe nisongodana nandritra ireo ady hevitra :

1- Zava-dehibe ny hisokafan’ny fanjakana amin’ny fizarana ireo torohay sy vaovao amin’ireo rehetra izay mila izany (Acces de tous à l’information à caractère public).

2-Iantsorohana andraikitra ny olom-pirenena misitraka ireo torohay sy vaovao mba hampiasa ireo vaovao sy torohay voarainy araky ny tokony ho izy.

3-Tokony heritreretina ny handrafetana lalàna ho arofanina amin’ny fampiasana ny “Cyberespace”

4-Zava-dehibe amin’ny ady atao amin’ny fanelezana vaovao diso ny fananana mpanao gazety matihanina, manaja ny etika sy ny deontolojian’ny asa ary mahafehy ireo tekinika fototry ny asa toy fanamarinam-baovao na recoupement.

5-Manana andraikitra amin’ny fitaizana sy ny fanabezana ny olom-pirenena, fa indrindra ny tanora, hahay hanjifa ireo vaovao sy torohay mitobaka eo anatrehany ny fikambanan’ny fiaraha-monim-pirenena.

Ho fitaovana hiasan’ny ekipan’ny minisitera amin’ny fandrafetana ny politikam-pirenena hiadiana amin’ny fanelezana vaovao diso na ny politique publique en matiere de lutte contre la desinformation io fehin-kevitry ny fikaonan-doha nandritry ny semaine de l’éducation aux médias et à l’information io.

Mbola hotohizana anefa ambonin’izay ny fakan-kevitra amin’ireo lafin-kery rehetra izay mety ho voakasika.

Ankoatra ny fikaonan-doham-pirenena momba ny ady atao amin’ny fanelezana vaovao diso, dia nisy ihany koa ny Master Class nampahafantarana ny daholobe ny atao hoe “FactChecking” sy ny “Photojournalisme”, ny famelabelaran-kevitra momba ny fanaovana hosoka na ny “piratage” sy ny heloka an’habaka na ny “cybercriminalité” ary ny fampirantiana ireo vokatra mifandraika amin’ny fanabeazana ny olom-pirenena hahay hanjifa ny vaovao nataon’ireo orinasa sy sekoly ary fikambanana misehatra amin’ny tontolon’ny serasera.

Teo koa ny fampahafantarana ny plateforme numerique TASK na ToroAsa Serasera sy Kolontsaina

Marihina fa maromaro ireo mpiara-miombonantoka namaly ny antso nataon’ny Minisiteran’ny Serasera sy Kolontsaina tamin’ny fikarakarana ny SEMI.