FAMPIOFANANA DIHY « DANSE CONTEMPORAINE » EO ANIVON’NY ANAC NA AKADEMIAM-PIRENEN’NY ZAVA-KANTO SY NY KOLONTSAINA

Ho tohin’ny fiaraha-miasa maharitry ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina amin’ny Fikambanana « HETSIKA » dia mandalo eto Madagasikara ny « Compagnie Yvann Alexandre » avy any Nantes-France.

Tontosa androany faha 07 Novambra ny fampiofanana sy fifampizarana voalohany nataon’izy ireo amin’ireo artista malagasy mpandihy «danse contemporaine» teo anivon’ny Akademia ANAC.

Fampiofanana misokatra ho an’ny mpandihy rehetra ity, ka mpandihy miisa 15 avy ao amin’ny ANAC sy mpandihy hafa no nisitraka izany.

Ny Tarika Yvann Alexandre dia efa 30 taona niantseherana tamin’ny dihy ary manam-pikasana ny hizara ny fahaiza-manaony amina firenen-kafa ka isan’izany i Madagasikara.

Marihina fa ity fampiofanana voalohany ity dia niompana tamin’ny fampitana traikefa sy ny fanomezana torohevitra hanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo mpandihy.

Hitohy hatramin’ny taona 2023 izany.

Nambaran’ny Talen’ny famokarana anatin’ity tarika ity, Ramatoa Andréa GOMEZ, fa tanjon’izy ireo ao anatin’izao fampiofanana izao ny hampifameno ny fahaiza-manaon’izy ireo amin’ny an’ireo mpandihy avy eto an-toerana.