SARY HOSODOKO

SARY HOSODOKO

NANOLOTRA MPANAKANTO 03 MIANADAHY HANDRANTY AMIN’NY « 𝙈𝙖𝙙𝙖𝙜𝙖𝙨𝙘’𝘼𝙍𝙏 𝙙𝙖𝙣𝙨 𝙡𝙚 𝙢𝙤𝙣𝙙𝙚 » ANY PARIS NY MINISITERAN’NY SERASERA SY NY KOLONTSAINA.

Ny fikambanana « Malagasy Charities » no mikarakara an’ity fampirantiana sary hosodoko karakaraina ao amin’ny Ambassade na Masoivohon’i Madagasikara ao Paris-France ny faha18 hatramin’ny 26 novembre 2022.

Taorian’ireny hetsika « IRAY VOLAN’NY SARY HOSODOKO 2022 » nokarakaraina tamin’ny lafivalon’ny nosy ireny, dia miezaka hatrany ny Minisiteran’ny Serasera sy Kolontsaina manohy ny fanosehana an’ity zava-kanto ity, ka tombony ho an’izy telo mianadahy ny ahafahan’izy ireo mampiseho sy mamaritra ny talenta sy sanganasany eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.

HOBINJATOVO HENINTSOA sy i LAÏLA ary i TARAOO moa no natolotry ny Minisitera handray anjara amin’ity hetsika ity.

Izy ireo dia tanora mpanakanto izay misy ny vao misondrotra fa misy kosa efa fanta-daza. Ankoatra an’izy ireo dia misy ihany koa ny mpanakanto hafa tsy miankina amin’ny Minisitera handray anjara amin’ity « Madagasc’ART » ity.

Afaka mampahafantatra ny talentan’izy ireo amin’ny mpanjifa aty Eoropa ary indrindra fa mifandray amin’ireo mpanakanto frantsay sy eoropeanina ireto solontena.

Sady afaka ihany koa hampivelara sy hampisandrahaka ny soatoavina voizin’ny sary hosodoko malagasy.

Koa asaina isika hitsidika.

Adiresy: 01, boulevard Suchet 75016 Paris