IRAY VOLAN’NY PIKASARY AN-GAZETY (mois du photojournalisme)

IRAY VOLAN’NY PIKASARY AN-GAZETY

(mois du photojournalisme)

Manomboka rahampitso faha 15 Novambra ka hatramin’ny faha 15 Desambra no karakaraina ao amin’ny TRANO SARY etsy Ambohidahy ity iray volana fampirantiana izay hetsika hotanterahin’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina isan-taona mba ampahafantarana sy hanomezana tosika ny tontolon’ny sehatr’asa pikasary an-gazety na photojournalisme ity.

Ankoatra ny fampirantiana isan’andro, dia hisy koa ny Masterclass sy conférence isaky ny alarobia ao amin’ny TRANO SARY ihany.

Koa manasa antsika rehetra.