ANTSOHIHY
Toerana iray ahitana mpanjifa betsaka ny ao amin’ny tsenan’ny trondro na « bazarin-dako Haute-ville ».
Ao tokoa no mivantana ireo trondro na hazandranomasina rehetra isa-maraina. Ny zava-misy anefa dia marisarisa ny fahadiovan’ny tsena, ka atahorana hisy fiantraikany betsaka any amin’ny mpanjifa.
Noho izay teboka izay indrindra dia raikitra tamin’ity andron’ny Asabotsy 19 Novambra ity ny Tagnamaro andron’ny olom-pirenena izay karakarain’ny Ministeran’ny Serasera sy Kolontsaina, ka nanadio ny tao anaty tsena rehetra.
Nifarimbona nifanome tànana teto ny kaominina ambonivohitra Antsohihy, izay nanome siniben-drano nitaomana ny rano, nanadiovana ny tsena sy nanolotra fiara be nandraofana ny fako rehetra.
Navitrika ny olom-pirenena namita ny adidy, satria samy mahatsapa ny rehetra fa tombontsoa iombonana no kendrena mandritry ny Tagnamaro andron’ny olom-pirenena ity.
Ankoatry ny fanadiovana ny tsena dia nentanina ny mpivarotra mba samy hanaja ny fahadiovana manodidina azy na koa hametraka ny fako amin’ny toerana efa voatokana.