KAOMINA FARATSIHO

Narenina tamin’ny alalan’ny Tagnamaro ny biraon’ny kaomina sy ny Tranompokonolona

Asa goavana roa no vita tao anatin’ny tapak’andro tao amin’ny kaomina Faratsiho, ao amin’ny distrikan’i Faratsiho, faritra Vakinankaratra dia ny fanarenana ny biraon’ny kaomina sy ny Tranompokonolona.
Ireto foto-drafitrasa ireto izay simba tanteraka, tsy nisy fanamboarana sy fikarakarana mihitsy tao anatin’ny taona maro ka tsy nahafahana nampiasa azy araka ny tokony izy, no izao nomena endrika vaovao izao indray.
Tagnamaro niarahan’ny fokonolona, ny mpiasam-panjakana, ny mpilatsaka antsitrapo notarihin’ny ekipan’ny Minisiteran’ny Serasera sy Kolontsaina no nanaovana ny asa fanarenana rehetra toy ny fandokoana ny vata-trano iray manontolo anatiny sy ivelany, ny fanoloana ireo fitaratra vaky, fikarakarana ny zaridaina, ankoatra ny fanamafisana ireo varavarana samihafa.
Naverina natsangana ihany koa ny lapihazo tao anatin’ny tranompokonolona. Afaka handray karazana hetsika samihafa manomboka izao ity tranompokonolona ity taorian’ny fanarenana izay natao.
Mbola nampatsiahy Ramatoa Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Lalatiana Rakotondrazafy ANDRIATONGARIVO, izay sady Minisitra mpiahy ny Faritra Vakinankaratra, fa tsy voatery hiandry ireo tompon’andraiki-panjakana hatrany ny olom-pirenena tsy ankanavaka vao handray andraikitra sy hiara-hientana amin’ny fanarenana foto-drafitrasa iombonana isaky ny Sabotsy fahatelo amin’ny volana ho antoky ny fampandrosoana iombonana.