TAGNAMARO AMBOSITRA.
Fanajariana sy fanamboarana ny zaridaina eto amin’ny Epp Andriamanalina no nanamarihana ny Tagnamaro volana Novembre ho an’ny taty amin’ny distrikan’Ambositra.
Samy nitondra biriky 1 avy ireo mpianatra hanomezana endrika vaovao ny zaridaina sy ny sekoly.
Nasiam-panamboarana koa ireo dabilio simba ao amin’ity Epp ity.
Nofefena ny manodidina sy ny faritry ny sekoly mba tsy ivezivezen’ny olona sy anaovan’ny mponina manodidina hitsin-dalana.