TAGNAMARO ATSIMO-ANDREFANA
Niavaka ny Tagnamaro tao Toliara, EPP Besakoa, ny Sabotsy 19 Novambra 2022 satria dia asa telo samy hafa no natao tamin’izany.
Voalohany dia ny fambolen-kazo tao amin’ny faritry ny Sekoly, 40 ny zanakazo nambolena ka ny ankamaron’izy ireo dia hazo fihinam-boa avokoa.
Marihina fa fiaraha-miasa tamin’ny DREDD Atsimo Andrefana no nahafahana nanatanteraka an’izany. Faharoa dia ny fanadiovana ireo lakandrano manodidina ny Sekoly, izay hita fa tena efa tsentsina tanteraka, ka tsy mampikoriana ny rano intsony, no manamaimbo ny manodidina.
Farany dia ny fanadiovana ny tokotanin-tsekoly mba ho tontolo iainana maha te honina sy mahasalama ny EPP Besakoa.
Niara-nisalahy ny rehetra satria dia voasolo tena teo avokoa ireo mpitandro filaminana. Tonga maro ihany koa ny solon-tena avy amin’ireo sampandraharaham-panjakana sy tsy miankina, isankarazany eto antoerana, ireo mpampianatra sy ireo mpianatra ao amin’ny EPP Besakoa.
Toy ny mahazatra dia ny Fitaleavam-paritry ny Seresera sy ny Kolontsaina Atsimo Andrefana no nanentana sy nitarika izao Tagnamaro izao, ilay asa soa iombonana hoan’ny mpiarabelona.