TAGNAMARO TSIROANOMANDIDY BONGOLAVA

Fandavahana lavaka narahina fambolena voandelaka teny amin’ny toeram-pambolen-kazo Lycée teknika teo aloha eny Antsapanimahazo Tsiroanomandidy no nentina nanamarihana ny Tagnamaro andron’ny olompirenena.

Hetsika tafiditra indrindra amin’ny fiarovana ny tontolo iainana, izay fiaraha-miasa teo amin’ny Fitaleavam-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina sy ny Fitaleavam-paritry ny Tontolo iainana sy ny Fampandrosoana Lovain-jafy Bongolava.