FAMOAHANA NY BOKY SY FANOMEZAM-BONINAHITRA AN’I BEBE FLORINE

Izahay efa vonona amin’ny fanomanana, ianao izay nihetsi-po teto amin’ny Facebook sisa no handrasana rahampitso Zoma 25 Novambra 2022 amin’ny 11 ora maraina.

Tsy misy ny taratasy fanasana fa afaka tonga avokoa isika rehetra hanohana an’i Bebe Florine.

Nafindranay eo ivelan’ny IVOKOLO Analakely ny hetsika mba ahafahantsika tonga marobe.

Ankoatra ny talentany dia olon’ny asa sy ny ezaka, olon’ny hatsaram-panahy, olon’ny fikirizana ho amin’ny kanto sy ny tsara i Bebe Florine, maodely ho an’ny tanora ankehitriny.

Ankoatra ny famoahana ny bokiny dia hisy ny fanomezam-boninahitra manokana an’i Bebe Florine, hisy ireo hira sy zavakanto hankafiziny, sns …

Tongava maro be hanohana azy.