KOLONTSAINA AN-TANAN-DEHIBE

Nanohana ny fikarakarana ny fiadiana ny tompon-dakan’i Afrika amin’ny dihy «hip hop » ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina.

Natao teto Antananarivo nanomboka omaly ary nifarana androany tetsy amin’ny Arena Ivandry ilay hetsika « African Championship breaking », fifaninanana dihy « hip hop » izay nandraisana firenena 11 aty Afrika sy aty amin’ny Ranomasimbe Indiana anjara.

Nanana mpandihy tanora solotena maro i Madagasikara nandritra izany, nanehoan’izy ireo ny fahaiza-manaony.

Ny dihy « hip hop » izay tafiditra ao anatin’ny kolontsaina an-tanan-dehibe (culture urbaine) ary efa 39 taona izay no nahatafidirany teto Madagasikara. Kolontsaina iray izay miezaka hatrany maka ny toerany sy ny hafatra tiany ampitaina eny anivon’ny fiaraha-monina.

Sehatra iray mitondra anjara biriky goavana amin’ny fampandrosoana ny firenena ny kolontsaina ka antony nametrahana vina sy tanjona lavitr’ezaka mitodika bebe kokoa amin’ny tanora malagasy manan-talenta, hoy Ramatoa Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy ANDRIATONGARIVO nandritra ny lahateniny.

Nifanindran-dalana tamin’ny famaranana ity hetsika ity ny nanolorana « Chevalier de l’Ordre des arts, des Lettres et de la Culture » an’ireo mpandihy sy mpisehatra amin’ny « hip hop » miisa 6 nahavita be tamin’izany dihy izany, mpandihy 9 nosolarana ny « Officier de l’Ordre des arts, des Lettres et de la Culture » ary 3 no notolorana « Commandeur de l’Ordre des arts, des Lettres et de la Culture ».