Semaine de l’Education aux Médias et à l’Information (SEMI) : Kianja BAREA Mahamasina.
Tanterahina ny 3 hatramin’ny 5 Novambra izao ny hetsika « Semaine de l’Education aux Médias et à l’Information » etsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina.
Hisongadina mandritra ny hateloana ny adihevitra mifototra amin’ny tontolon’ny Serasera amin’ny ankapobeny.
Ho tanterahina mandritra izany ohatra ny « Colloque sur la désinformation », Masterclass miompana amin’ny « Fact checking » sy ny « photojournalisme », velan-kevitra momba ny ady amin’ny fanaovana hosoka sy « cybercriminalité », adihevitra amin’ny fahitalavitra momba ny tambazotran-tserasera sy ny fahalalahana maneho hevitra.
Hampiavaka ity SEMI ity koa ny fampahafantarana amin’ny fomba ofisialy ny plateforme numérique « TASK » na ny Tolotr’Asa ho an’ny Serasera sy Kolontsaina, izay entina hampifanakaikezana ny tolotra sy ny tinady arak’asa amin’ireo sehatra ireo.
Tanjona kendrena mandritra ity hetsika izay nitafana tamin’ny mpanao gazety androany ity tetsy amin’ny IVOKOLO Analakely, ny hamoahana hevi-dehibe izay hatolotra ny fanjakana hametrahana paikady hiadiana amin’ny fiparitahan’ny vaovao tsy marina Na vaovao iniana disoina.
Tagnamaro iarahan’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina amina mpiara-miombon’antoka maro toy ny Organisation Internationale de la francophonie, ny CANAL +, ny Groupe FILATEX, ny Ultima Media, ny Rio Tinto QMM, ny Orange MADAGASCAR, ny Commission Malgache Nationale pour l’UNESCO, ny GEPIMM, ny TVM, ny VIVA, n’y TV PLUS, ny RNM, ary ny FREE FM.