STAR ACADEMY 2022
Norombahan’i ANISHA ny fandresena 6 herinandro niatrehana ny fifaninanana Star Academy 2022 andiany faha-10, izay fifaninanan-kira isany malaza manerana izao tontolo izao; ilay teratany Malagasy ANISHA JO no nandrombaka ny fandresena taorian’ny famaranana natao omaly.
Ilay hiran’i Josh Groban mitondra ny lohateny hoe « HALLELUJAH » no nohirainy nambabony ny fon’ny mpijery ka nahazoany ny isam-bato 57% tamin’ireo mpifidy nifidy azy ary nibatany ny fandresena nanoloana ny mpifaninana taminy nandritra ny « duel de la finale ».
Vola mitentina 100.000 euro miampy famokarana Album iray no loka nomen’ny TF1 izay mpikarakara ny fifaninanana an’i Anisha.
Ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina, tarihin-dRamatoa Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy ANDRIATONGARIVO dia miarahaba manokana an’i Anisha Jo nitondra avo ny voninahim-pirenena Malagasy nandritra ity fifaninanana goavana be ity. Mirary soa azy ihany koa amin’ny fanohizany ny lalany amin’ny sehatry ny mozika.
Misaotra Anisha