TANGAMARO AMBATONDRAZAKA
FANARENANA ZETRA
Ho fanohizana ny fanarenana ireo zetra simba sy ho fiarovana ireo bandro tsy ho lany tamingana ary ho fiarovana ny tontolo iainana, dia notontosaina andraony Zoma 25 Novambra 2022 ny Hetsika Tagnamaro andron’ny olom-pirenena ho an’ny Distrikan’Ambatondrazaka, ka fambolena zetra tao Andreba Gara no natao tamin’izany, izay nifanindran -dalana amin’ny « Festival Bandro 2022 ».
Maro ireo Serivisy miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana, ireo fikambanana ary ireo olom-pirenena isan-tsokajiny no tonga nanatanteraka izany hetsika izany.