FANJIFANA NY BOKIN’I BEBE FLORINE

Taorian’ny famoahana tamin’ny fomba ofisialy ny bokin’i Bebe Bao Florine milohateny hoe « Ny Diampenin’i Bao Florine Gentillesse » ny Zoma lasa teo, maro be tena maro be isika na eto an-toerana, eny hatrany ivelany no manam-paniriana hanjifa izany boky izany.

Tsiahivina ary fa ho antsika eto Antananarivo sy ny manodidina dia ireto no toerana ahitana izany :

– Tranombokim-pirenena Anosy

– « Librairie de référence » IVOKOLO Arcade Analakely

Ny any amin’ny faritra ivelan’Antananarivo kosa dia iangaviana antanan-droa hiantso ny laharana 032 12 911 10 ahafahana mandrindra miaraka amin’ireo Talem-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina ny fandefasana ny boky.

Ho antsika any ampitan-dranomasina, afaka mandefa hafatra miafina (MP) amin’ny Pejin’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina ireo izay liana, ka mba asiana lohateny hoe « BOKY BEBE FLORINE » izany hafatra izany miaraka amin’ny mombamomba anao rehetra. Dia arindra arakaraky ny misy anareo ny mety ahafahanareo mahazo izany.

Marihina fa 15.000Ar no vidin’ny boky.

Averina indray fa ny vola rehetra azo amin’ny vidin’ny boky dia hatolotra iray manontolo tsy misy hanimbinana ho an’i Bebe Bao Florine Gentillesse.

Mandraisa àry anjara ho fanampiantsika azy!