TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA Alarobia 30 novambra 2022 – Lapam-panjakana Iavoloha

TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA Alarobia 30 novambra 2022 – Lapam-panjakana Iavoloha

TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA

Alarobia 30 novambra 2022 – Lapam-panjakana Iavoloha

 

Notanterahina androany ny Filan-kevitry ny Minisitra izay notarihin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ary nahitana ny Praiminisitra sy ireo Minisitra isan-tokony

I- FAMPITANA AM-BAVA

MINISITERAN’NY RAHARAHAM-BAHINY

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’i Madagasikara anjara amin’ny fihaonana an-tampony eo amin’i Etazonia sy ireo mpitondra afrikana, izay hotontosaina any Washington DC, Amerika ny 13 ka hatramin’ny 15 desambra 2022. Natao hijerena ny fiaraha-miasan’ny firenena amerikana sy ireo firenena afrikana ny fihaonana an-tampony, ary ny Filohan’ny Repoblika, Andriamatoa Andry Rajoelina no hitarika ny delegasiona malagasy ho any an-toerana.

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’i Madagasikara anjara amin’ny Fikaonan-doha eo amin’ireo firenena sy Nosy manamorona na manodidina ny Ranomasimbe Indiana (Etats archipélagiques et Insulaires) izay hatao any Nusa, Bali Indonésie, ny 5 sy 6 desambra 2022. Fametrahana paikady iraisana amin’ny lafiny fiarovana an-dranomasina sy ny fitantanana ny harena an-dranomasina no tena votoatin’ny fikaonan-doha.

Nankatoavin’ny filan-kevitry ny Minisitra koa ny fihaonana an-tampon’ireo Filoham-panjakana sy lehibena Governemanta amin’ireo firenena ao anatin’ny « OEACP » (Organisation des Etats d’Afrique, des Caraïbes et du Pacifique), andiany faha-10 izay hatao any Luanda, Angola ny 6 ka hatramin’ny 10 desambra 2022. Ny lafiny fampiroboboroana ny fiaraha-miasa toekarena eo amin’ireo firenena mpikambana ao anatin’ny OEACP no tena iompanan’ity fihaonana an-tampony ity.

MINISITERAN’NY FILAMINAM-BAHOAKA + SEKRETARIAM-PANJAKANA MIADIDY NY ZANDARMARIAM-PIRENENA EO ANIVON’NY MINISITERAN’NY FIAROVAM-PIRENENA

Ny Filan-kevitry ny Minisitra dia mampahatsiahy fa voararan’ny lalàna ny fampiasana sy fanakaramana indrindra ny fanerena olona hivaro-tena (proxenétisme) na mivantana na amin’ny alalan’ny aterineto. Ny zava-misy matetika dia misy olona mampiasa ankizy tsy ampy taona na tovovavy ka mampivaro-tena azy ireny ao anatin’ny fanambakana. Hentitra ny mpitandro ny filaminana amin’ny fanenjehana ny olona mampanao izany (proxenètes). Ny fitondram-panjakana kosa dia manamafy ny fanajana ny fiainana manokan’ny isam-batan’olona (respect de la vie privée) ka tsy miditra sy tsy manenjika velively izay tsiambaratelon’ny tsirairay sy izay ataony manokana any an- tokantranony any, rehefa ampy taona izy, ary rehefa ao anatin’ny fanajana ny lalàna manan-kery eto amin’ny tany sy ny fanjakana.

MINISITERAN’NY FAMPIROBOROBOANA NY INDOSTRIA, NY VAROTRA SY NY FANJIFANA + MINISITERAN’NY RAHARAHAM-BAHINY

Neken’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny ahafahana miroso amin’ny fankatoavana ny fifanaraham-piaraha-miasa ara-toekarena vonjy maika (Accord de partenariat économique intérimaire- APEi) miaraka amin’i Royaume-Uni. Raha tsiahivina dia tamin’ny taona 2009 i Madagasikara no nanasonia io fifanarahana io, niaraka tamin’ny firenena 4 hafa ao anatin’ny Vondrona « Afrique Orientale et Australe » (AFOA) dia i Maurice, Seychelles, Zimbabwe ary ny Nosy Comores, mba hanamafisana ny fifanakalozana ara-barotra tamin’ny Vondrona Eoropeana. Ny fidirana anatin’ny tsena ivelany, ny jono ary ny fiaraha-miasa ara-toekarena no voarakitra ao anatin’ny fifanarahana APEi.

Noho ny fivoahan’i Royaume-Uni tao anatin’ny Vondrona Eoropeana anefa dia tsy maintsy namerina nanao fifampiraharahana tamin’i Royaume-Uni isika, mba hiarovana ireo fifanakalozana ara-barotra efa nananantsika niaraka taminy, tamin’izy mbola mpikambana tao anatin’ny Vondrona Eoropeana. Tahaka izany koa ireo firenena hafa ao anatin’ny AFOA. Ny 4 novambra 2021 no nahavita io fifanarahana vaovao miaraka amin’I Royaume-Uni io i Madagasikara, ka mba hahafahan’ny mpandraharaha Malagasy misitraka ny tombony omen’ny fifanarahana dia tsy maintsy hirosoana ny fankatoavana (ratification).

MINISITERAN’NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

Noho ny fisian’ny valan’aretina gripa mahery vaika miparitaka ankehitriny, satria tafiditra ao anatin’ny vanim-potoanan’izany isika ankehitriny, dia nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hamerenana ny fanentanana ny olom-pirenena tsirairay avy amin’ny fanajana ireo fihetsika sakana (gestes barrières) indrindra amin’ny toerana be olona, anaty toerana mikatona, na any anaty fiara fitateram-bahoaka.

Ny valan’aretina gripa mahery ankehitriny, izay mifindra amin’ny alalan’ny rivotra iainana, dia matetika mitarika kohaka sy havizanana ara-batana ankapobeny, ary ny zaza sy ny ankizy no tena mora andairany. Entanina araka izany ny rehetra mba hanamafy ny fiarovan-tena.

MINISITERAN’NY FITATERANA SY NY FAMANTARANA NY TOETRANDRO

Ao anatin’ny fanatanterahana ny Veliranon’ny Filohan’ny Repoblika, dia nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hividianana milina fanadiovana renirano vaovao fanampiny (drague fluviale) ahafahana manatsara ny fikarakarana ny Lakandranon’i Pangalana hiomanana amin’ny fanohizana ny fanokafana ny Lakandrano. Raha tsiahivina dia efa nirosoana tamin’ny 2019 ny fanokafana ny ampahany mampitohy an’i Toamasina sy Mananjary mirefy 432 km, izay mila fanadiovana lehibe amin’izao fotoana izao noho ny fiantraikan’ny rivo-doza sy ny fisian’ny fasika miakatra ka lasa sakatsakana vokatry ny fomba fanjonoana ao amin’ny Lakandrano. Hiroso amin’ny fanokafana ny ampahany avy any Mananjary mankany Farafangana mirefy 205 km indray ny fitondram-panjakana ankehitriny, ka izany rehetra izany no antony hilana milina vaovao.

Nanome toromarika mazava Andriamatoa Filohan’ny Repoblika, ny hanaovana fandinihana ifotony hoe firy ny milina tokony ilaina hahasahana ny Lakandrano iray manontolo izay mirefy 637 km ny totaliny. Nanome torimarika mazava ihany koa Andriamatoa Filoha mba hakana tombam-bidy mivantana avy amin’ireo orinasa lehibe any ivelany mpamokatra ny milina, mba hahafahana mahazo izay vidiny tena mirary indrindra, ka hahafantarana hoe firy ny milina azo vidiana arakaraky ny tetibola eo am-pelatanana. Ny APMF izay ratsa-mangaikan’ny Minisitera misahana ny fitaterana no ampiandraiketan’ny Governemanta izay andraikitra goavana izay.

Faritra miisa 4 sy Distrika miisa 9 ary Kaominina miisa 34 no lalovan’ny Lakandranon’I Pangalana, ary mponina miisa 4.309.693 no mipetraka amin’ireo ka mifandray na mivantana na ankolaka amin’ny Lakandrano ny fiveloman’izy ireo. Izay no maha-zava-dehibe ny fanajariana ny Lakandrano ka maha-sarotiny ny Filoham-pirenena amin’ny fanatanterahana ny Velirano izay nataony mikasika azy io

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny drafitra fohy ezaka sy antonona ezaka hanarenana ny fifamoivoizana amin’ny zotran-dalamby Fianarantsoa Côte-Est (FCE). Tafiditra ao anatin’izany :

– Ny fanoloana ao anatin’ny andro vitsy ny loha-masinina (locomotive) ka misy ny fiaraha-miasa napetraka tamin’ny orinasa MADARAIL hanakalozana ny lohamasinina ao amin’ny FCE ankehitriny amin’ny lohamasinina avy any amin’ny MADARAIL. Izany dia mba ahafahana mamoaka ny vokatry ny tantsaha eo anelanelan’I Fianarantsoa sy Manakara indrindra amin’izao vanim-potoana mampiakatra ny litchis izao.

– Ny fanaovana antso « appel à candidature » hitadiavana izay ho Tale Jeneraly vaovao ho an’ny FCE, ka hijerena izay drafitr’asa (plan d’action) tsara indrindra sy mazava azo tanterahina ahafahana mampahomby ny fanarenana ny tambajotran-dalamby FCE.

– Ny fitakiana ny fijerena ireo lohamasinina miisa 4 novidiana tany Espagne, amin’ny orinasa nividianana azy ireo, ahafahana manamboatra ny hisatra izay misy olana amin’izao fotoana izao. Izany moa dia mifanaraka amin’ny fifanaraham-pividianana natao teo amin’ny FCE sy ny orinasa espanola nividianana ireo lohamasinina miisa 4 ireo.

– Amin’ny antonona ezaka, dia vinavinaina ny hanaovana fampiasam-bola vaovao ahafahana mividy lohamasinina vaovao, hanampiana ireo efa eo an-toerana mba hanatsarana ny fihodinan’ny FCE.

Hentitra ny Filohan’ny Repoblika fa laharam-pahamehana ny famahana ny olan’ny FCE ao anatin’ny fotoana faran’izay haingana, araka ny toromarika efa nomeny dia tsy maintsy miverina miasa alohan’ny faran’ny taona fara-fahatarany ny tambajotran-dalamby FCE.

MINISITERAN’NY ASA VAVENTY

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hanomezana alalana ny Tahirim-bola momba ny lalana na « Fonds Routier » hampiasa ny teti-bola hampandehanan-draharaha (budget de fonctionnement) tahaka ny fandoavana ny karaman’ny mpiasa, ny fividianana kojakoja ilaina any anaty birao, ny hofatrano, sy ny sisa mba ahafahana mampiodina ny orinasa. Izany moa no natao dia mba ahafahana miatrika ny asa maika ao anatin’ny vanim-potoanan’ny fahavaratra ka hanomanana mialoha ireo fitaovana ahafahana misoroka ny fahatapahan-dalana vokatry ny orana na ny rivo-doza. Ny fampiasam-bola kosa (budget d’investissement) dia mbola tsy azo ampiasaina noho ny fanadihadiana tsy maintsy atao taorian’ny fahitana gaboraraka maro tamin’ny fitantanam-bola teo anivon’izany Tahirim-bola momba ny lalana na « Fonds Routier » izany.

II- FANKATOAVANA DIDIM-PANJAKANA

MINISITERAN’NY RAHARAHAM-BAHINY + MINISITERAN’NY FAMPIROBOROBOANA NY INDOSTRIA, NY VAROTRA SY NY FANJIFANA

Noraisin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny volavolan-drijatenin-dalàna hankatoavana ny fidiran’i Madagasikara ao anatin’ny fifanarahana nasiam-panovan’ny Georgetown (Accord de Georgetown révisé). Tsy inona izany fa ny fananganana ny Vondron’ny Firenena Afrikana, Caraïbes sy Pacifique (Organisation des Etats d’Afrique, des Caraïbes et du Pacifique- OEACP). Raha tsiahivina dia ny 06 jona 1975 no nolanian’ireo firenena mpikambana ny Fifanarahana voalohan’i Georgetown nananganana ny Vondrona ACP (Afrique Caraïbes Pacifique), ary ny 11 desambra 1975 no nanasonia izany i Madagasikara. Nandritra ny fivoriana an-tampon’ireo Filoham-panjakana sy lehiben’ny governemanta andiany faha-9 anefa, ny 9 sy 10 desambra 2019 dia nasiam-panavaozana ny fifanarahana ka lasa nananganana ny OEACP, mba hanamafisana ny fiarahamiasa ara-toekarena hiatrehana ny fanamby maro eo amin’ny toekarena maneran-tany ihany koa. Koa satria nanasonia io fifanarahana nasiam-panovana io i Madagasikara dia tsy maintsy miroso amin’ny fankatoavana izany amin’ny alalan’ny fanaovana lalàna.

III- FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY

MINISITERAN’NY FANAJARIANA NY TANY SY NY FANANAN-TANY

  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022- 630 tamin’ny 04 may 2022 ary manendry an’Atoa.RAMONJIHARISON Clément Modeste, ho Tale Jeneralin’ny Fonds National Foncier na FNF.
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021- 903 tamin’ny 08 septambra 2021 ary manendry an’Atoa. ANDRIAMAHAFALY Rabearimanana Zaka, ho Tale Jeneralin’ny « Aménagement du Territoire et de l’Equipement »

MINISITERAN’NY FILAMINAM-BAHOAKA

  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2016- 580 tamin’ny 20 may 2016 ary manendry an’Atoa. TSIMITAMBY Briand, ho Tale Jeneralin’ny Institut Supérieur des Technologies ao Antsiranana

MINISITERAN’NY FAMPIANARANA AMBONY SY NY FIKAROHANA ARA-TSIANSA

  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-1021 tamin’ny 29 septambra 2021 ary manendry an’Atoa. RANAIVOSAMIMANANA Tolotra Stephane, ho « Directeur du Développement des Nouvelles Villes »

    IV- FANAFOANANA

    MINISITERAN’NY FAMPIROBOROBOANA NY INDOSTRIA, NY VAROTRA SY NY FANJIFANA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021- 980 tamin’ny 29 septambra 2021 nanendry ny « Directeur des Ressources Humaines » teo anivon’ny ministeran’ny fampiroboroboana ny indostria, ny varotra sy ny fanjifana.
    • Natao ny 30 novambra 2022

      Ny Mpitondra Tenin’ny Governemanta

      Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina

      Lalatiana Rakotondrazafy ANDRIATONGARIVO

      Ny Mpitondra Tenin’ny Filoham-pirenena,

      Talen’ny Serasera sy ny Fifandraisana amin’ny Daholobe

      Ny Fiadidiana ny Repoblika

      Lova Hasinirina RANOROMARO