05 DESAMBRA | #JIV NA ANDRO IRAISAM-PIRENENA HO AN’NY FILATSAHANA AN-TSITRAPO

Nomarihina tetsy Anosy tamin’ny alàlan’ny fanadiovana sy fanesorana fako izany.

« 𝑭𝒊𝒓𝒂𝒊𝒔𝒂𝒏-𝒌𝒊𝒏𝒂 𝒂𝒏𝒂𝒕𝒚 𝒇𝒊𝒍𝒂𝒕𝒔𝒂𝒉𝒂𝒏𝒂 𝒂𝒏-𝒕𝒔𝒊𝒕𝒓𝒂𝒑𝒐 », io no lohahevitr’ity andro iraisam-pirenena ho an’ny filatsahana an-tsitrapo na 𝕁𝕠𝕦𝕣𝕟é𝕖 𝕀𝕟𝕥𝕖𝕣𝕟𝕒𝕥𝕚𝕠𝕟𝕒𝕝𝕖 𝕕𝕦 𝕍𝕠𝕝𝕠𝕟𝕥𝕒𝕣𝕚𝕒𝕥 ankalazaina ny 05 Desambra.

Maneran-tany dia mihoatra ny iray lavitrisa ireo mpilatsaka an-tsitrapo miezaka manasoa sy manatsara ny soa iombonana ho an’ny mpiara-belona.

Teto Antananarivo no ivon’ny fankalazana, ka fanentanana sy fampirantiana an-tranoheva ary 𝕋𝔸𝔾ℕ𝔸𝕄𝔸ℝ𝕆 fanadiovana sy fanajariana ny manodidina ny tetsy Anosy no nanamarihana an’izany.

Iaraha-mahita fa feno loto ka mila fanadiovana ny etsy Anosy manolona ny tranoben’ny ORTM, ka izany no antony nisafidianana an’ity hetsika natao androany: nofafàna ireo làlana; nodiovina sy nesorina ireo loto sy fako nivangongo teny akaikin’ny fiantsonan’ny fitateram-bahoaka (taxi be, fiarakaretsaka, taxi tosimilina) sy teny amin’ireo toerana fisakafoanan’ny mpiasa birao izay maro mpandalo sy mpampiasa isan’andro.

Mifanidran-dàlana ny soatoavina voizin’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina amin’ny alalan’ny 𝕋𝔸𝔾ℕ𝔸𝕄𝔸ℝ𝕆, sy ireo tanjona tratrarin’ny 𝕗𝕚𝕝𝕒𝕥𝕤𝕒𝕙𝕒𝕟𝕒 𝕒𝕟-𝕥𝕤𝕚𝕥𝕣𝕒𝕡𝕠.

Koa satria mihamaro hatrany ireo resy lahatra eto Antananarivo amin’ny vokatra azo avy amin’ny TAGNAMARO, dia maro androany ireo fikambanana iraisam-pirenena sy fikambanana anatiny amin’ny filatsahana an-tsitrapo no tonga nandray anjara.

Nahatratra 450 ireo namaly ny antso ka nandray anjara androany ka avy amina sehatra miisa 25 izy ireo.

Toy ny efa fanaony isaky ny TAGNAMARO, dia hafatra nohamafisin-dRamatoa Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy ANDRIATONGARIVO hatrany, ny mba hampitomboan’ny tsirairay ny asa fanasoavany ny tanin-drazana iombonana.

Ary nentanina ny tsirairay hanohy ny 𝕋𝔸𝔾ℕ𝔸𝕄𝔸ℝ𝕆 any amin’ny sehatra misy azy avy amin’ny endriny maro toy ny fanomezan-dra maimaim-poana; ny asa fanadiovana sy fanajariana isan-karazany; ny fambolen-kazo; ny fanamboaran-dàlana sy ny sisa…

Tsara sy mahavelom-bolo tokoa ny vokatra azo androany ka nanome fankasitrahana feno ireo rehetra nandray anjara tamin’ny 𝕋𝔸𝔾ℕ𝔸𝕄𝔸ℝ𝕆 androany ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina.