MANAMAFY NY FAHAVONONAN’ NY FITONDRAM-PANJAKANA HIADY AMIN’NY KOLIKOLY NY RINDRAM-BAIKO SIIGAC
Manamafy ny fahavononan’ny fitondram-panjakana hiady amin’ny kolikoly ny rindram-baiko SIIGAC (Système d’information intégré de la gouvernance et de l’anti-corruption)
Androany no nampahafantarina tamim-pomba ofisialy ny fisokafan’ny rindram-baiko vaovao entina manamafy ny ady amin’ny kolikoly.
SIIGAC na Système d’information intégré de la gouvernance et de l’anti-corruption no anarany, ka ny komity miaro ny fahitsina na ny Comité pour la Sauvegarde de l’intégrité no namolavola azy.
Enti-mandrefy sy manombana ny ady amin’ny kolikoly, ny fahaiza-mitantana ny raharaham-panjakana ary manampy amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra ity rindram-baiko vaovao ity.
Natao ihany koa hijerena ny fizotran’ny ady amin’ny kolikoly ary ahafahana manaraka ny fampiharana ireo fepetra iraisam-pirenena izay nankatoavin’i Madagasikara.
Manamafy ny fahavononana politika hiady amin’ny kolikoly ny fitondram-panjakana hoy Ramatoa Ministry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Lalatiana Rakotondrazafy ANDRIATONGARIVO, izay nasain’ny CSI hanamarika ny fampahafantarana tamin’ny fomba ofisialy ny rindram-baiko SIIGAC, izy rahateo izay nisolo tena ny Governemanta amin’ny maha mpitondra teny azy.
Manaporofo izany ny fametrahana ny Ivo-toerana manara-maso ny fahazoana harena amin’ny tsy ara-drariny (ARAI).
Ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina ihany koa izay nametraka ny IVOTORO, hisahana manokana ny fanampiana ny olom-pirenena amin’ny fikarakarana taratasim-panjakana samihafa, hisorohana ny kolikoly mety hihodina ao anatin’izany.
Ankoatra izay, nohamafisin-dRamatoa Minisitra fa ilaina ny fisian’ny mpanatsikafona izay efa arovan’ny lalàna momba ny ady amin’ny kolikoly, saingy ny fanatsikafonana trangana kolikoly kosa dia tokony hifototra amina fanadihadiana lalina sy fanamarinam-baovao samihafa.
Ity sata ity izay hifampifehezana amin’ny fampihodinana ity rindram-baiko ity. Ny rohy « siigac.csi.gov.mg » no hidirana ahitana ny andinindininy rehetra ao anatin’izany rindram-baiko izany.