HAVADIKA HO TOERANA MAITSO HAHAFINARITRA NY MPANDALO NY MANOLOANA NY FEFIN’NY ORTM ETSY ANOSY

HAVADIKA HO TOERANA MAITSO HAHAFINARITRA NY MPANDALO NY MANOLOANA NY FEFIN’NY ORTM ETSY ANOSY

Tombontsoan’ny rehetra ny fananana toerana madio sy voajary.

Tsikaritra nandritra ny TAGNAMARO manokana nentina nankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny filatsahana an-tsitrapo omaly 05 Desambra, fa nivangongo ireo fako sy ny loto manoloana ny fefin’ny ORTM.

Zary ataon’ny olona fanaovana maloto mihitsy aza ny sisin-dàlana kanefa dia maro olona miezivezy eny.

Nandray andraikitra avy hatrany ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina ka nanohy ny asa fanadiovana sy fanajariana teto amin’ity toerana, mba hanovana izany ho toerana maitso mendrika ny tanàn-dehibe.

Hitohy hatramin’ny rahampitso ny asa famefena sy fambolena voninkazo sy zavamaniry izay antenaina fa hahafinaritra ny mpandalo sy mpampiasa an’ity toerana ity.

Tanjona kendren’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina anatina hetsika tahaka izao ny hanentanana sy hitaiza ny olom-pirenena tsirairay handray andraikitra.

Koa mba hampaharitra ny fanavaozana natao teto dia misy ny fiaraha-miasa amin’ny tompon’andraikitry ny Fokontany eny Ampefiloha ary koa ireo mpivarotra ety an-toerana, mba handraisan’izy ireo anjara amin’ny fikojakojana indrindra ny fanaraha-maso ny asa rehetra vao natao.

#JIV

#Tagnamaro

#Minisiteran_ny_serasera_sy_ny_kolontsaina