FITSIDIHANA ARA-POMBAM-PANAJANA NOTANTERAHAN’NY MASOIVOHON’NY KOLONTSAINA SY NY FIZAHAN-TANY GINEANA MOUSSA SANDIANA KABA NY MINISITRY NY SERASERA SY NY KOLONTSAINA
Tonga nanatanteraka ny fitsidihana ara-pombam-panajana an-dRamatoa Minisitra miandraikitra ny kolontsaina Lalatiana RAKOTONDRAZAFY ANDRIATONGARIVO, tetsy amin’ny birao fiasany Anosy i MOUSSA Sandiana Kaba fantatry ny maro amin’ny anarana hoe « Grand P », amin’izao fandalovany eto Madagasikara izao, taorian’ny nandraisany anjara tamin’ny festival Waka Waka 2022 tany Sambava.
Ny aretina antsoina hoe “Progeria” izay mahazo an’i MOUSSA Sandiana Kaba na « Grand P » no mahatonga ny endrika amam-bikany tsy hitovy amin’ny hafa.
Toe-batana izay nitarika fanesoana sy fanilihana azy teny anivon’ny fiaraha-monina.
Tsy nanakana an’i Grand P nilofo niasa sy niezaka teo amin’ny fiainany sy tamin’ny fanampiana ny mpiara-belona aminy, indrindra fa ireo olona manana olana eo amin’ny toe-batana ihany koa anefa izany, fa nandrisika azy nanampy hatrany ireo olona misedra fahasahirana.
Mifanojo amin’ny fandaharan’asan’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina “Iray Ihany Isika” (3I) izay mivoy ny maha harena ny fahasamihafana izao fihaonan-dRamatoa Minisitra sy Grand P izao.
Ity fandaharan’asa ity dia mampita amin’ny mpiara-monina ny tsy hanilihana ny olona manana toe-batana hafa izay mety tsy hitovy amin’ny hafa.
“Tsy ho vato misakana amin’ny fanatratrarana tanjona iray” hoy Ramatoa Minisitra ny fahasamihafana.
Nivoitra nandritra ny fihaonan’ny roa tonta ny fifampizarana ny dingana sy ny fanamby apetrany amin’ny fivoizana sy fampiroboroboana ny kolontsaina, fa indrindra ny sehatr’asa goavana iantsorohan’i Grand P amin’ny asa soa tanterahin’ny Fondation izay tarihiny.
Ankoatra izay, dia nitafa mivantana an-tariby tamin’ny Minisitry ny Kolontsaina Gineana Ramatoa Minisitra ary naneho ny fahavonon’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina Malagasy hiara-hiasa hampivoarana ny fifandraisana ara-kolontsaina eo amin’ny firenena roa tonta.