FIVAHINIANAN’ NY DELEGASIONINA MALAGASY IZAY TARIHIN’ NY FILOHA ANDRY RAJOELINA ANY WASHINGTON DC NIATRIKA NY « US-AFRICA SUMMIT 2022 »

Nandritra ny fivahinianan’ny delegasionina malagasy izay tarihin’ny Filoha Andry RAJOELINA any Washington DC niatrika ny « US-Africa Summit 2022 » dia anisan’ny goavana indrindra tamin’ireo ny fihaonan’ny Filoham-pirenena tamin’ny Filoha Amerikana Joe BIDEN.

Taorian’ny fihaonana manokan’ny Filoha roa tonta tao amin’ny « Bureau Oval » tao amin’ny « Maison Blanche », dia nisy ny dinika an-databatra boribory niarahan’ny Filoha Joe BIDEN sy ireo firenena Afrikana hanomana fifidianana ny taona 2023.

Tao amin’ny « Cabinet Room » tao amin’ny « Maison Blanche » ihany na ny efitrano fanaovana ny Filan-kevitry ny Minisitra Amerikana no nanatanterahana izany.

Ireo Filoham-pirenen’ny RD Congo, Gabon, Liberia, Nigeria, Sierra Leone ary Madagasikara no nandray anjara tamin’izany niaraka tamina Minisitra iray isaky ny firenena.

Nandray anjara tamin’izany, niaraka tamin’ny Filoha Andry RAJOELINA ny Minisitra Lalatiana RAKOTONDRAZAFY ANDRIATONGARIVO.

Ny Minisitra Lalatiana RAKOTONDRAZAFY ANDRIATONGARIVO no hany vehivavy tamin’ireo Filoha sy Minisitra afrikana niara-nivory tao amin’ny « Cabinet Room ».

Ny Filoha Andry RAJOELINA sy ny Minisitra Lalatiana RAKOTONDRAZAFY ANDRIATONGARIVO no zandriny indrindra teo amin’ny latabatra.

Sary : Pejy Fb « President Joe Biden »