TANDREMO FA MAHA VOASAZY NY MIVAROTRA SY MANJIFA IREO TOLOTRA HOSOKA AMIN’NY ALALAN’ NY INTERNET

Andro vitsivitsy lasa izay dia mpivarotra « décodeur » sy « abonnement » hosoka maromaro teto Antananarivo no voasambotry ny BAP na Brigade Anti-Piratage izay sehatra eo ambany fiahian’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina.

Efa vita famotorana ary efa natolotra ny fampanoavana izy ireo, ka naiditra am-ponja vonjy maika mandram-piandry ny fitsarana.

Mahazo vahana ny fanjifana an’io « abonnement » hosoka io indrindra fa mandritra an’izao fiadiana ny amboara eran-tany amin’ny taranja baolina kitra any Qatar izao.

Marihina hatrany fa tsy ara-dalàna izany, ka voarara sy enjehin’ny lalàna malagasy satria:

Fanitsakitsahana ny fizaka-manana ara-tsaina na «violation de la propriété intellectuelle»,

Manohintohina ny fandriampahalemana satria afaka mandefa fampielezankevitra na propagande mihafatra asa fampihorohoroana na terroriste,

Manohintohina kolotsaina satria afaka mandefa horonan-tsary mamoafady amin’ny ora tsy voafetra,

Manimba ny toe-karena satria mamporisika ny fifaninanana tsy ara-drariny na «concurrence déloyale» amin’ireo mpandraharaha mpanara-dalàna sy mpandoa zo.

Ireo «décodeur» sy «abonnement» voalaza ireo dia hizaran’ireo mpanao « piratage » ireo fandaharana vokarin’ny mpamokatra sy mpandraharaha ao anatin’ny sehatry ny fahitalavitra, nefa tsy nahazoana alalana avy tamin’izy ireo.

Marihina fa teknolojia avy any ivelany, tafiditra teto Madagasikara taona vitsivitsy izay ary tena manintona mpanjifa, ity tolotra vaovao tsy manara-dalàna sy mifono halatra ity.