TAGNAMARO AMBATONDRAZAKA

TAGNAMARO AMBATONDRAZAKA

Fizarana fanomezana ho an’ireo tsy salama sy tera-bao ao amin’ny hopitaly CHRR sy CSB2 Ambohimasina no nanamarihana ny hetsika TAGNAMARO, omaly sabotsy 17 Desambra 2022 teto Ambatondrazaka.

Natao izany mba amalifaliana azy ireo amin’izao ankatoky ny fankalazana ny fetin’ny noely sy famaranana ny taona 2022 izao.

Nojerena manokana ilay ankizy vavy 07 taona niharan’ny herisetra ara-nofo avy ao Brieville ka mbola manaraka fitsaboana.

Serivisy maromaro miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana ary fikambanana no samy nitondra anjara biriky ka nahafahana nanangona ireto fanampiana ireto.

Nitarika izany ny Préfet an’Ambatondrazaka niaraka tamin’ny Fitaleavam-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina, ny Fitaleavam-paritry ny Mponina ary ny Fitaleavam-paritry ny Fahasalamana Alaotra Mangoro.

Olona efatra mianaka ihany koa no voatohan’ny hetsika rehefa narary sy tsy ampy sakafo ka nomena fanampiana sy saran-dalana nahafahan’izy ireo nody any Ambohimasoa Fianarantsoa.