TAGNAMARO ATSIMO-ANDREFANA

Ny EPP Betania Toliara no nosafidiana hanatanterahana ny Tagnamaro ny 17 Desambra 2022 izay notarihin’ny Fitaleavam-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina Atsimo Andrefana.

Nodiovina ny tokontanin-tsekoly mba ho tontolo iainana maha te honina sy mahasalama ny EPP Betania.
Ny nampiavaka ity hetsika Tagnamaro ity dia ny fanamboarana sy fikojakojàna ireo latabatra fianarana izay efa simba ka tsy nampiasaina intsony mba ho afaka ampiasaina indray.

Tsy hadino ihany koa ny nanadio ny manodidina ny sekoly, izay feno fako tokoa satria fotoan’ny voankazo toy manga sy litchi izao faran’ny taona izao.

Lavitra fanariam-pako ny Sekoly koa dia lavaka lehibe no nohadiana mba hanariana ireo fako rehetra.

Voasolo tena ny ankamaron’ireo sampandraharaham-panjakana isan-karazany eto an-toerana.

Nisy ihany koa ny fandraisana anjaran’ireo mpitandro filaminana, ny fikambanan’ny mpianatra eny amin’ny oniversite, ireo mpampianatra ary ireo mpianatra ao amin’ny EPP Betania.

Velom-pisaorana sy nankasitraka ny rehetra ny Talen’ny Sekoly.

Ity hoy ny Talem-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina ny Tagnamaro farany amin’ity taona 2022, nisy arak’izany ny firariantsoa hoan’ireo nandray anjara, mba samy hahatratra ny fetin’ny noely sy taona vaovao 2023.