TAGNAMARO BEALANANA

Nokaohina ny fako manempotra ny kanalin-drano.

Saro-piaro amin’ny fananana iombonana ny olom-pirenena ao Bealanana.

Tafiditra ao anatin’ny fananana iombonana io dia ny fotodrafitrasa momba ny làlana.

Anisany miteraka fahasimbana haingana amin’ity farany tokoa ny fahatsetseman’ny kanalin-drano, izay miantoka ny fikorian-drano mivarina anaty tatatra lehibe, mandritry ny fotoam-pahavaratra.

Tamin’ity andron’ny Asabotsy 17 Desambra ity dia raikitra ny fitaomana angady nandraoka ireo fako nameno ny kanalin-drano, teny amin’ny làlana manodidina ny sekoly liseam-panjakana tao an-toerana: làlana izay tena be mpampiasa tokoa.

Nandritra izao Tagnamaro izao no mbola nohamafisin’ny lehiben’ny Distrika ao Bealanana ny amin’ny fanentanana ho an’ireo olona mipetraka manamorona ny làlana rehetra, mba tsy hanary fako eny rehetra eny, na koa anaty kanalin-drano fa manafaingana ny fahasimban’ny fotodrafitrasa làlana izany, noho ireo rano miandrona ateraky kanalin-drano tsentsina, manginy fotsiny ny fahalotoan’ny tanàna ateraky ny fako.