TAGNAMARO MATSIATRA AMBONY
Laharam-pahamehana amin’ny fitondram-panjakàna ankehitriny ny fikajiana ny tontolo iainana.
Mifanindran-dalana etsy ankilany ihany koa ny lalan-tsaina amin’ny famelo-maso ireo haren-tsaina mampiavaka antsika Malagasy dia ny » Firaisankina sy fifanomezan-tànana hiarovana sy hikolokoloana ny soa iombonana « .
Tontosa soa aman-tsara araka izany ny andron’ity Sabotsy 17 Desambra 2022 maraina ity ny hetsika ara-kolontsaina » Tagnamaro – Andron’ny Olompirenena – Volana Desambra 2022, izay teo ambany fitarihan’ny Fitaleavam-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina Matsiatra Ambony ka ny toerana fanaovana fanatanjahan-tena » Gymnase Couvert Ambatomena Fianarantsoa » no nosafidina manokana, hanatanterahana izany asa fanadiovana sy ny fikolokoloana zaridaina manodidina izany ny toerana fanaovana fanatanjahan-tena teny Ambatomena.
Tonga marobe ny olona nasaina, notronon’ireo sampan-draham-panjakana taty amin’ny Faritra Matsiatra Ambony – Distrika Fianarantsoa I sy ireo Fikambanana mpilatsaka an-tsitra-po ary ireo vahoaka mponina tao amin’ny Fokontany Ambatomena Fianarantsoa.