ANKIZY SY OLON-DEHIBE MARO NY TONGA MITSIDIKA ILAY VARAVARANA MISOKATRA SY RANTY JIRO MANOLOANA SY MANODIDINA NY LAPAM-PANJAKANA AMBOHITSOROHITRA
Anisan’ny hetsika anamarihana ny fetin’ny Krismasy sy Asaramanitra faran’ny taona ny ranty jiro sy hazavana maroloko etsy Antaninarenina sy ao amin’ny Lapam-panjakana Ambohitsorohitra.
Taorian’ny fanokafan’Andriamatoa Filoham-pirenena Andry Rajoelina an’ity hetsika ity ny Alarobia faha 21 Desambra lasa teo dia tsy nitsahatra nitohivakana ny fitsidihan’ny mponin’ Antananarivo sy ny malagasy manerana ny nosy sendra mandalo eto an-drenivohitra ary koa ireo mpizahatany zanatany sy teratany vahiny mandalo eto Madagasikara.
Misokatra amin’ny 06ora hariva ny vavahady ary mikatona amin’ny 11ora alina.
Fahombiazana tanteraka ity hetsika ity satria isan-kariva dia an’arivony ny vahoaka milahatra miditra ka mifaly sy mankafy ireo ranty jiro manoloana sy ao anatin’ny faritry ny Lapam-panjakana.
Fotoana izaràna hafaliana ary koa fanomezana ho an’ny ankizy izay nandraisa’Andriamatoa Filoham-pirenena anjara niaraka tamin’ny ankohonany nandritra ny alina masin’ny 24 Desambra.
Haharitra hatramin’ny Alahady voalohan’ny volana Janoary 2023 izao hetsika izay ankasitrahana ny Fiadidiana ny Rapoblika izao.