NANDRAY NY MASOIVOHON’ I INDE MIASA ETO MADAGASIKARA NY MINISITRY NY SERASERA SY NY KOLONTSAINA
Nandray ny Masoivohon’i Inde miasa eto Madagasikara, SEM Bandaru WILSONBABU, ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina Ramatoa Lalatiana Rakotondrazafy ANDRIATONGARIVO omaly tao amin’ny birao fiasany Anosy
Maromaro ny fiarahamiasa eo amin’ny sehatry ny serasera sy ny kolontsaina eto amin’ny firenena Indiana sy Malagasy ka tapaka nandritra ny fihaonana fa hosoniavina tsy ho ela ny fifanaraham-piaramiasa hisian’ny fifanakalozana ara-kolontsaina eo amin’ny roa tonta.
Nitsidika ny « tahalan’ireo firenena » vahiny izay ao amin’ny Efitrano « David Jaomanoro » koa ny Masoivoho mba ahafahana mametraka ny zoro ho an’i Inde, ka hampitaovana boky mikasika ny firenena Indiana izay ho azon’ny daholobe tsidihana.