TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA Alarobia 11 janoary 2023 – Lapam-panjakana Iavoloha

TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA Alarobia 11 janoary 2023 – Lapam-panjakana Iavoloha

TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA

Alarobia 11 Janoary 2023 – Lapam-panjakana Iavoloha

 

Notanterahina androany ny Filan-kevitry ny Minisitra izay notarihin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ary nahitana ny Praiminisitra sy ireo Minisitra isan-tokony.

Mialohan’ny fandinihana ireo laha-dinika efa voaomana, dia nitondra resaka mikasika ny fanaparitahana vaovao tsy marina izay miha-mahazo vahana amin’izao fotoana izao ny Filohan’ny Repoblika, Andriamatoa Andry RAJOELINA. Rehefa natao ny fanamarinana sy ny fanangonam-baovao rehetra, dia tsy marina velively ny filazana fa misy fivarotan-janaka noho ny fahasahiranana any amin’ny Kaominina sasany any amin’ny distrikan’Ikongo.

Efa nitondra fanazavana nandiso tanteraka izany tsaho izany ny lehiben’ny OMC (Organe Mixte de Conception) Faritra Fitovinany, dia ny Prefen’i Manakara, niaraka tamin’ireo lehiben’ny mpitandro filaminana any amin’ny Faritra, teo koa ny Ben’ny tanàna amin’ny Kaominina samihafa izay voatonotonona tahaka ny Kaominina Ambanivohitra Ifaniriaha, ary ny mpisehatra ara-tsosialy miady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo any an-toerana. Nanamafy an’izany koa ny Vaomiera Mahaleotena momba ny Fiarovana ny Zon’olombelona na ny CNIDH, izay nanao fanadihadiana ifotony ka nilaza mazava fa tsy misy izany trangana fivarotan-jaza iniana aely izany.

Tsy mifanaraka velively amin’ny kolontsaina sy ny soatoavina malagasy rahateo koa izany mivaro-janaka izany na inona na inona tranga mety misy, ka melohina tanteraka ny tetikady politika maloto izay ampiasaina, dia ny fanelezana tsaho handemena ny saim-bahoaka sy hanohitohinana ny filaminana anatiny ankehitriny.

Efa nanokatra ny fanadihadiana hahitana izay mety nipoiran’izany fanelezana tsaho izany ny avy eo anivon’ny mpitandro ny filaminana amin’izao fotoana izao, ka mila handraisana fepetra hentitra izay fototra niaingan’ny vaovao tsy marina miteraka fanakorontanana. Manentana ny olom-pirenena rehetra koa ny Filan-kevitry ny Minisitra mba ho mailo tanteraka satria hita taratra fa ho fitaovam-piadiana politika eo am-pelatanan’ireo mpanao politika sasantsasany, izay mety tsy ampy hevitra hotohanana, ny famoronana vaovao tsy marina sy fanelezana tsaho.

Mila fifampitaizana rahateo koa mba tsy hihinana am-bolony ny olom-pirenena, fa hanana fahamailoana sy fahazarana ka tsy tonga dia hino sy hizara izay vaovao mivoaka rehetra fa hanamarina izany hatrany aloha. Tsiahivina fa melohin’ny lalàna manan-kery ny famoahana sy ny fanaparitahana vaovao diso.

I- FAMPITANA AM-BAVA

MINISITERAN’NY RAHARAHAM-BAHINY

Nanao tatitra mikasika ny fivoriana tsy ara-potoan’ny filan-kevitry ny Minisitry ny Vaomieran’ny Ranomasimbe Indiana (COI) izay natao tamin’ny alalan’ny fampitan-davitra ny Minisitra tompon’andraikitra. Ny 22 desambra 2022 lasa teo no nanaovana izany fivoriana izany ka isika Malagasy no nitarika azy. Anisan’ny teboka lehibe nankatoavina tao ny handraisan’i Madagasikara ny fivoriana an-tampon’ireo Filoham-panjakana sy lehiben’ny governemanta amin’ny firenena mpikambana amin’ny COI, andiany faha-dimy, amin’ity taona 2023 ity. Ka noho izany indrindra dia nangatahana i Madagasikara handroso daty hahafahana mikarakara izany fivoriana an-tampony izany faran’izay haingana. Tapaka nandritra ny fivoriana koa ny hanalavana ny fe-potoam-piasan’ny Tale mitantana ny COI izay hifarana ny volana Jolay 2023. Ankoatra izay moa dia teboka maromaro hafa, ara-stratejika, ara-pifandraisana diplomatika, ara-pitantanana no nodinihana sy nolaniana, anisan’izany ny famitàna ny fitsipika anatiny vaovao mifehy ny COI.

Nifanindran-dalana tamin’ny fivoriana tsy ara-potoan’ny Filan-kevitry ny Minisitry ny Vaomieran’ny Ranomasimbe Indiana voalaza tetsy ambony, dia nisy koa ny fivoriana ara-teknika vitsivitsy natao nivantana teto Antananarivo, mbola ao anatin’ny fitantanan’i Madagasikara ny COI ihany. Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny tatitra natao mikasika azy ireo :

  • Voalohany dia ny fivoriana momba ny tetikasan’ny tanora ao anatin’ny COI (Projet Jeunesse de la COI) tamin’ny 09 novambra 2022, nentina namaritana ny paikady manoloana ny fitombon’ny mponina haingana izay mahakasika manokana an’i Madagasikara sy Comores. Fantatra mantsy fa anisan’ny betsaka tanora ireo firenena roa ireo ary ny antontan’isa dia maneho fa ny 90% ny tanora hirotsaka eo amin’ny sehatry ny asa amin’ny taona 2040 dia Malagasy avokoa raha ny eto amin’ny Ranomasimbe Indiana. Notapahan’ny fivoriana araka izany ny hampidirana ny singa “dimension jeunesse” ao anatin’ny asa sy tetikasa rehetra hataon’ny COI.
  • Faharoa dia ny atrikasam-paritra mikasika ny fandaharanasa fiarovana ny ranomasina andiany faharoa (MASE – Maritime Security II) natao ny 10 novambra 2022. Hifarana amin’ity taona 2023 ity manko ny fandaharanasa MASE I, ka nifanaraka ny mpikambana rehetra ny hanohizana azy, araka ny vinan’ny Vondrona Afrikana amin’ny alalan’ny paikady fiarovana an-dranomasina (stratégie maritime intégrée) taona 2050. Ny Vondrona Eoropeana no mamatsy vola ny fandaharanasa ary firenena 7 ao anatin’ny COI no voakasika ao anatiny (Djibouti, Comores, La Réunion/France, Kénya, Madagasikara, Maurice ary Seychelles).
  • Fahatelo dia ny fivorian’ny Komitim-paritra teknika andiany faha-3 momba ny tetikasa fanatsarana ny fifandraisana an-dranomasina (connectivité maritime) aty amin’ny faritra atsimo andrefan’ny Ranomasimbe Indiana natao ny 14 sy 15 novambra 2022. Ny firenena Japoney, izay mpikambana mpanaramaso ao anatin’ny COI (membre observateur) no mamatsy vola ity tetikasa ity, izay natao hampihenana ny fiankinan-dohan’ny firenena mpikambana amin’ny COI amin’ny fanafarana entana avy any ivelany sy amin’ny fitaterana iraisam-pirenena. Tapaka tao anatin’ny fivoriana ny hamolavolana sy ny hankatoavana ny tondrozotra sy drafitr’asa mandritra ny 5 taona ho an’ity tetikasa ity.
  • Fahaefatra farany dia ny fivoriana voalohany ho an’ireo tompon’andraikitra (points focaux) amin’ny tetikasa famadihana ny fako ho angovo aty amin’ny faritra atsimo andrefan’ny Ranomasimbe Indiana (transformation du secteur des déchets vers un lien déchets-énergie dans la Région Sud-Ouest de l’Océan Indien). Ny Vondron’ny firenena aty Afrika-Caraïbes-Pacifique (OEACP) sy ny Vondrona Eoropeana no mamatsy vola ny tetikasa izay maharitra 42 volana, ka natao indrindra hampiroboroboana ny fikarohana rehetra manodidina ny famadihana ny fako ho angovo, ny famatsiana ny tetikasa hita fa tena mitondra fihavaozana amin’io sehatra io, ary ny hanohanana ny mpikaroka ao anatin’ny teknolojian’ny angovo azo avaozina (technologie des énergies renouvelables).

Ny zavatra rehetra tapaka tamin’ireo fivoriana teknika miisa 4 ireo dia haroso eo anatrehan’ny fivoriana ara-potoan’ny Filan-kevitry ny Minisitra amin’ny volana Febroary 2023, izay mbola hotarihan’i Madagasikara.

MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hananganana “trésorerie principale” natokana ho an’ireo tetikasa nahazoana famatsiam-bola avy any ivelany.

Izany moa dia noho ny fahitana ireo olana isan-karazany mikasika ny fandaminana amin’ny fitantanam-bola (régularisation comptable). Voakasik’izany avokoa na ny findramam-bola (emprunts), na ny famatsiam-bola tsy averina (dons), na ny fanampiana manokana (subventions). Ny ho asan’io « trésorerie principale » natokana ho an’ny tetikasa vatsiam-bola avy any ivelany io dia :

  •  Fanatanterahana ny fikirakiram-bola vola miditra sy mivoaka (opérations de recettes et de dépenses) amin’ireo tetikasa rehetra ao anatin’ny tetibola ankapoben’ny Fanjakana ka nahazoana famatsiam-bola avy any ivelany, eny anivon’ireo minisitera sy andrim-panjakana isan-tsokajiny.
  • Fiaraha-manasonia ny kaontim-bolan’ireo tetikasa misokatra eo anivon’ny Banky Foiben’I Madagasikara
  • Fitazomana ny “comptabilité” mifandraika amin’ilay tetikasa vatsiam-bola avy any ivelany
  • Ary ny fandrafetana ny « compte de gestion » eny anivon’ny Fitsarana misahana ny volam-panjakana (Cour des Comptes)

 

MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA + MINISITERAN’NY HARENA ANKIBON’NY TANY SY NY LOHARANON-KARENA STRATEJIKA

Hanolotra fifanaraham-piaraha-miasa vaovao amin’ny orinasa QMM ny Fanjakana Malagasy mba hitsinjovana ny tombontsoan’i Madagasikara ao anatin’ny fitrandrahana ny fasimainty any Tolagnaro

Tamin’ny taona 1998 no nisy ny fifanarahana nidiran’ny orinasa QMM nikaroka sy hitrandraka harena ankibon’ny tany any Tolagnaro, izay navadika ho lalàna 98-002 tamin’ny 26 janoary 1998, nanomboka nanan-kery tamin’ny 18 febroary 1998, daty nivoahan’ny lalàna tamin’ny gazetim-panjakana. Araka io fifanarahana io dia nomena fepetra ara-ketra sy haban-tseranana manokana nandritra ny 25 taona ny orinasa, ary rehefa tapitra izay fe-potoana izay ka tsy misy fifanarahana vaovao hitan’ny roa tonta dia mitohy indray izay fepetra manokana ara-ketra sy haban-tseranana izay.

Mifarana ny 18 febroary 2023 izany fe-potoana 25 taona izany. Efa nanomboka ny volana Jolay 2022 no nitsangana ny Komity itambaran’ny teknisiana avy amin’ny roa tonta, dia ny Fanjakana Malagasy sy ny QMM, nandinihana indray ny ho endriky ny fifanaraham-piaramiasa vaovao aorian’ny fahataperan’ilay fifanarahana voalohany. Hatreto nefa dia mbola tsy nahita marimaritra iraisana mihitsy na dia efa manakaiky aza ny daty fahataperan’izay fifanarahana voalohany izay.

Manoloana izany dia nisy ny fivoriana manokana notarihan’ny minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola, sy ny minisitry ny harena ankibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika, nampiantsoana ny solotena avy amin’ny QMM, ny Sekretera Jeneralin’ny Fiadidiana ny Praiminisitra, ny solotenan’ny Fiadidiana ny Repoblika, ny Foibem-pitondran’ny Hetra sy ny Foibem-pitondran’ny Ladoany, tamin’ny Alatsinainy lasa teo.

Taorian’ny fivoriana dia nahita fifanarahana ary ny roa tonta fa tsy hotohizana mandritra ny 25 taona akory ilay fepetra manokana ara-ketra sy haban-tseranana nomena ny QMM tamin’ny fotoan’androny, fa hitohy hanan-kery hatramin’ny volana mai 2023 ihany, izay fotoam-pivoriana ara-potoan’ny parlemanta, ka hanaovana lalàna vaovao hifehy ny fifanarahana indray manomboka eo, eo amin’ny Fanjakana Malagasy sy ny Orinasa.

Araka ny toromarika mazava sy hentitra avy amin’ny Filohan’ny Repoblika, Andriamatoa Andry RAJOELINA dia tsy maintsy hanolotra fifanaraham-piaraha-miasa vaovao tanteraka mihitsy ny Fanjakana Malagasy, mba hitsinjovana bebe kokoa ny tombontsoan’i Madagasikara, ka mba tena hitondra voka-tsoa marina ho an’ny Malagasy rehetra izany fitrandrahana ny harem-pirenena izany. Hisy moa ny fihaonana eo amin’ny Filohan’ny Repoblika sy ny Filoha Tale Jeneralin’ny RIO TINTO izay ho avy eto Madagasikara ny 25 ka hatramin’ny 27 janoary 2023 ho avy izao.

MINISITERAN’NY FANABEAZAM-PIRENENA

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny firosoana amin’ny fanisana ny mpiasa eo anivon’ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Fantatra fa manodidina ny 60% ny mpiasam-panjakana dia ao anatin’ny fanabeazam-pirenena avokoa. Ny Banky iraisam-pirenena sy ny fandaharanasa PRODIGY no hisahana izay fanisana izay, hahafahana rehefa avy eo manatanteraka ny fitantanana ara-kajy mirindra ny momba ny mpiasa (digitalisation). Ho voakasiky ny fanisana ireo mpiasa rehetra misehatra amin’ny fanabezam-pirenena, na ny mpiasam-panjakana, na ny mpiasa tsy mbola mpiasam-panjakana eny anivon’ny sekolim-panjakana, EPP, CEG, Lycées, CRINFP sns.

MINISITERAN’NY FANABEAZAM-PIRENENA + MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany, mikasika ireo fitaovana enti-mampianatra ireo jamba na ny manana olana ara-pahitana, tafiditra ao anatin’ny « kits back to school and learning ». Ireo « kits » ireo dia fanomezana avy amin’ny UNESCO hatolotra ny Minisiteran’ny Fanabezam-pirenena.

MINISITERAN’NY FAMBOLENA SY NY FIOMPIANA

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanomezana teti-bola fanampiny ho an’ny fanatanterahana ny fanarenana ny tohadrano sy ny velaran-tanin’i DABARA any amin’ny faritra Menabe. I DABARA dia sompitra ara-bary voalohany ho an’i Menabe iray manontolo, izay mirefy hatrany amin’ny 18.360 hektara ity. Tafiditra ao anatin’ny asa fanarenana ny fanamboarana ny tohadrano, ny lakandrano lehibe mirefy 52 km sy ireo kojakoja rehetra mifandraika amin’izany, ary ny lakandrano madinika mifandray aminy. Izany teti-bola fanampiny izany dia tafiditra ao anatin’ny fampiasam-bolan’ny Minisiteran’ny Fambolena sy ny Fiompiana ao anatin’ny NPE na « Nouveaux Projets Emergents » ho fanatanterahana ny Velirano faha-9 hanatrararana ny fahavitan-tena ara-tsakafo.

Ho tohin’ny fanapahan-kevitry ny Filan-kevitry ny Minisitra farany, izay nankatoa ny fiaraha-miasa amin’ny orinasa Ambatovy hanomezana ireo « sufalte d’ammonium » azo avy amin’ny famokarana « nickel » sy « cobalt » hafangaro amin’ny zezi-bazaha NPK na DAP, dia nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny antsipirihany amin’ny vinam-pizarana ireo zezika simika ireo ho an’ny tantsaha amin’ny alalan’ny tetikasa PDSA (Projet de distribution de suflate d’ammonium en appui à l’autosuffisance alimentaire). Ireto avy ny dingana arahina araka izany : fananganana avy hatrany ny ozinina madinika fampifangaroana sy famonosana ny zezika any Toamasina miaraka amin’ny orinasa Ambatovy, hisy koa mifanindran-dalana amin’izay ny fanentanana sy fampiofanana ny tantsaha mpamboly vary amin’ny fampiasana ny zezika simika, ny fizarana ny zezika sy ny fanaraha-maso ny fampiasana ny zezika araka ny tokony ho izy, ary ny farany dia ny fanaovana ny tomban’ezaka ny vokatra azo. Fianakaviana mpamboly miisa 225.514 no hokendrena hisitraka, ka mahatratra 112.757 taonina ny « suflate d’ammonium » ilaina isan-taona mba hahafahana mandrakotra velaran-tany fambolena mirefy 563.784 hektara. Tombanana hitombo hatrany amin’ny 845.676 taonina ao anatin’ny taona iray ny voka-bary vokatry ny fampiasana ny zezika simika azo avy amin’ny fampiasana io « sulfate d’ammonium » afangaro amin’ny zezi-bazaha izay. Fantatra koa fa hitohy hatrany amin’ny taona 2024 ny fiarahamiasa amin’ny orinasa Ambatovy hahafahana mizara ny zezika amin’ny tantsaha.

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra handraisana anjaran’ireo injeniera mpampiofana sy tantsaha Malagasy miisa 30, amin’ny fiofanana mikasika ny teknikam-pambolena « PFUMVUDZA » izay hatao any Zimbabwe Afrika, ny 28 janoary ka hatramin’ny 4 febroary 2023. Izany dia vokatry ny fiaraha-miasa amin’ny fikambanana « Foundation for Farming» any Zimbabwe, izay efa fantatra maneran-tany amin’ny famoronana sy ny fampiasana ity teknika « PFUMVUDZA » ity. Tantsaha miisa 5 tapitrisa manerana an’i Afrika no efa mampiasa an’io teknika io izay miaro ny tontolo iainana ihany koa. Ho lasa mpampiofana ny mpampiofana (formateurs des formateurs) indray izy ireo rehefa miverina avy any.

MINISITERAN’NY ANGOVO SY NY AKORAN’AFO

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanavaozana ny fahazoan-dalana hanafatra menaka fototra sy ny fangarony (huiles de base et leurs intrants) ho an’ny orinasa MOCO, rehefa nahafeno ny fepetra mifandraika amin’izany izy. Tamin’ny taona 2015 ity orinasa ity no nahazo fahazoan-dalana izay efa tapitra tamin’ny volana Mars 2022, ka havaozina aorian’ny fandoavana ny sarany faritan’ny lalàna manan-kery.

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanomezana ny fahazoan-dalana hanafatra menaka (lubrifiants) ho an’ny orinasa MILLEIS MOTORS, rehefa nahafeno ny fepetra mifandraika amin’izany izy ary aorian’ny fandoavana ny sarany faritan’ny lalàna manan-kery.

II- FANKATOAVANA DIDIM-PANJAKANA

MINISITERAN’NY FAMPIROBOROBOANA SY FANOVANA ARA-KAJY MIRINDRA, NY PAOSITRA SY NY FIFANDRAISAN-DAVITRA

  • Noraisin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny didim-panjakana manendry ny Filohan’ny Filankevim-pitantanan’ny Paositra Malagasy (PAOMA), Andriamatoa RASAMIMANANTSOA Riana Toavina.

    III- FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY

    MINISITERAN’NY FANAJARIANA NY TANY SY NY FANANAN-TANY

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021- 1084 tamin’ny 13 oktobra 2021 manendry an-dRamatoa ANDRIANASOLO Mahery, ho « Directeur de l’Observatoire du Territoire ».
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022- 055 tamin’ny 12 janoary 2022 ary manendry an’Atoa. RATODISON Francis ho Talem-paritry ny fanajariana ny tany sy ny fananan-tany ao amin’ny Faritra Atsinanana.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022- 056 tamin’ny 12 janoary 2022 ary manendry an’Atoa. RASEDIMAHEFA Tsimiebo, ho Talem-paritry ny fanajariana ny tany sy ny fananan-tany ao amin’ny Faritra Menabe.

    MINISITERAN’NY NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019- 1114 tamin’ny 06 Jona 2019 ary manendry an’Atoa. ANDRIANAHO Njaka Lalaina, ho « Directeur de la Gestion et du Contrôle du Personnel de l’Etat auprès de la Direction Générale du Contrôle Financier » ny Minisiteran’ny toekarena sy ny Fitantanam-bola.
    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Atoa. RABEFAGNINA Blaise, ho « Directeur des Etudes, de la Formation, de la Documentation et des Archives auprès de la Direction Générale du Contrôle Financier » ny Minisiteran’ny toekarena sy ny fitantanam-bola.

    MINISITERAN’NY NY ATITANY SY NY FITSINJARAM-PAHEFANA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020- 1487 tamin’ny 11 novambra 2020 ary manendry an’Atoa. RAKOTONDRANOA Andriamamerintsoa Tovonandrianina , ho Sekretera Jeneraly eo anivon’ny Prefektioran’Antsirabe.
    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Atoa RATSIMBAZAFY Mamisoa Niaina Nirina, ho « Directeur des Affaires Juridiques, du Partenariat et de la Relation Publique du Centre National d’Etat Civil et de l’Identité »(CNECI).
    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Atoa. ANDRIAPARANIONY Mieja, ho « Directeur de la Programmation et du Suivi Evaluation du Centre National d’Etat Civil et de l’Identité »(CNECI).
    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Atoa. ANDRIANTSIFERANA Rinarisoa Abdon, ho « Directeur des Opérations du Centre National d’Etat Civil et de l’Identité » (CNECI).
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019- 1342 tamin’ny 03 jolay 2019 manendry an-dRamatoa NAKANY Emilie Baravavy, ho « Directeur de l’Inspection et de Contrôle de l’Administration Territoriale »
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019- 383 tamin’ny 20 martsa 2019 manendry an’Atoa. RAKOTOHAVANA Malalaharijaona Fanoela, ho Prefen’i Tsiroanomandidy.

    MINISITERAN’NY TANORA SY NY FANATANJAHAN-TENA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019- 1208 tamin’ny 06 jona 2019 manendry an-dRamatoa RABARIJAONA Antsa Narindra, ho Talem-paritry ny tanora sy ny fanatanjahan-tena ao Vakinankaratra.

    MINISITERAN’NY FAMPIANARANA TEKNIKA SY NY FIOFANANA ARAK’ASA

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RANAMPY Marie Florida, ho « Directeur de la Formation du Personnel d’Encadrement et des Formateurs »

    MINISITERAN’NY TONTOLO IAINANA SY NY FANDROSOANA LOVAIN-JAFY

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021- 562 tamin’ny 19 may 2021 manendry an’Atoa. ANDRIAMIHARISOA Harinjaka Romuald, ho Tale Jeneralin’ny Fandrosoana lovain-jafy.
  • Natao ny 11 Janoary 2023

    Ny Mpitondra Tenin’ny Governemanta

    Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina

    Lalatiana Rakotondrazafy ANDRIATONGARIVO

    Ny Mpitondra Tenin’ny Filoham-pirenena,

    Talen’ny Serasera sy ny Fifandraisana amin’ny Daholobe

    Ny Fiadidiana ny Repoblika

    Lova Hasinirina RANOROMARO