ANTSO FANDRAISANA ANJARA AMIN’NY « PRIX MONDIAL DE LA LIBERTE DE LA PRESSE UNESCO-GUILLERMO CANO 2023 »

Ny loka iraisam-pirenena UNESCO/Guillermo Cano ho an’ ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety dia natao hanasongadinana olona, fikambanana na rafitra iray izay nandray anjara lehibe tamin’ny fiarovana sy/na fampiroboroboana ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety na aiza na aiza misy azy eto amin’izao tontolo izao, indrindra raha , ho amin’izany, dia naka risika goavana ho azy io olona, fikambanana na rafitra io.

Ny taona 1997 no namoronan’ny UNESCO izany ka isan-taona no hanoloran’ny Tale jeneralin’ny UNESCO io loka io mandritry ny fankalazana ny Andro maneran-tany ho an’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety, izay atao ny 3 Mey.

Ho an’ity taona 2023 ity, ny fametrahana ny antontan-taratasy ho an’ireo maniry ny handray anjara dia azo atao hatramin’ny 13 Febroary 2023 ary azo apetraka eny amin’ny biraon’ny Vaomieram-pirenena malagasy ho an’ny UNESCO (Commission Nationale Malgache pour l’UNESCO) etsy Behoririka.

Nampitondraina ny anaran’i Guillermo Cano Isaza, mpanao gazety Kolombiana iray izay nisy namono teo ivelan’ny biraon’ny gazety niasany « El Espectador », tao Bogotá tamin’ny 17 Desambra 1986, ity loka ity.